Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 45
Fampanantenana soa an'i Baròka.
1Ny teny nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Baròka, zanak'i Nierasa, fony izy nanoratra ireo teny ireo tamin'ny taratasy araka ny nanononan'i Jeremia azy, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joakima, zanak'i Josiasa, mpanjakan'i Jodà, toy izao: 2Izao no lazain'ny Tompo mpanjakan'Israely ny aminao, ry Baròka: 3Hianao nanao hoe: Idiran-doza aho ity! fa tsindrian'ny Tompo alahelo ny fijaliako, reraky ny misento aho, fa tsy mahita fitsaharana. Ka lazao aminy hoe: 4Izao no lazain'ny Tompo: Indro fa izay efa naoriko ravako, izay efa namboleko ongotako; dia izao teny rehetra izao. 5Ary hianao kosa hitady zava-dehibe ho anao? Aza mitady izany, fa indro hahatonga loza amin'ny nofo rehetra aho, - teny marin'ny Tompo, - fa hianao kosa homeko ny ainao ho babonao, any amin'izay fitoerana rehetra halehanao. >