Bokin'i Jeremia

Toko faha-49

1 Teny mamely ny taranak'i Ammona. Izao no lazain'ny Tompo: Tsy manan-taranaka va Israely? Tsy manan-kandova va izy? Ahoana no nangalan'i Melkoma an'i Gada ho azy, sy nakan'ny vahoakany fonenana eo amin'ny tanànany?

2 Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo, hampikotrokotrohako ao Raban'ny taranak'i Ammona ny akoran'ady. Dia hanjary antontan-java-drava izy, ary ny zanany hodorana amin'ny afo; ary Israely kosa handova ny an'ireo efa nandova ny azy, - teny marin'ny Tompo.

3 Migogogogoa, ry Hesebona, fa voaroba Hai; Midradradradrà, ry zanakavavin'i Rabah, misikina lasàka, migogogogoa; mivoivoiza manaraka ny fefy; fa nentin-ko sesi-tany Melkoma, mbamin'ny mpisorony amam-panapaka miaraka aminy koa.

4 Ahoana no ireharehanao amin'izay lohasahanao, - mahavokatra be hoe ny lohasahanao. - ry zanakavavy mpiodina, izay mitoky amin'ny harenanao, manao hoe: Zovy moa no sahy handroso hamely ahy?

5 Indro aho mitondra ny tahotra hamely anao; - tenin'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, avy amin'izay rehetra manodidina anao; ka samy horoahina hizotra amin'izay hitsiny avy hianareo, sady tsy hisy hamory izay mandositra akory.

6 Rahefa afaka anefa izany mbola hampodiko ny voababo amin'ny taranak'i Ammona, - teny marin'ny Tompo.

7 Teny mamely an'i Edoma. Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Efa tsy misy fahendrena intsony va ao Temana? Lany hevitra va ireo mahira-tsaina? Efa levona va ny fahendren'izy ireo?

8 Mandosira, miverena ilàlana, mifitsaha hianareo, ry mponina any Dedana, fa hahatonga fandravana amin'i Esao aho, amin'ny andro amangiako azy.

9 Raha mpioty voaloboka no tonga aminao, tsy mamela hotsimponina izy, na dia kely aza, raha mpangalatra tonga alina kosa, mandroba izy, mandra-pahafa-pony.

10 Fa izaho no nampiboridana an'i Esao, sy nampiharihary ny fiereny, ka tsy afa-miery intsony izy. Ringana avokoa ny taranany, ny rahalahiny, ny mifanakaiky aminy, ka tsy misy intsony izy.

11 Ilaozy ny kambotinao, fa izaho no hamelona azy, ary izaho no aoka hitokian'ny mpitondra-tena ao aminao.

12 Satria izao no lazain'ny Tompo: Indro, fa izay tsy tokony hisotro amin'ity kapoaka ity dia hisotro marina tokoa; ka hianao kosa ve ho afa-potsiny? Tsia, tsy ho afa-potsiny hianao, fa hisotro azy marina tokoa!

13 Satria, izao no efa nianianako tamin'ny tenako, teny marin'ny Tompo: Bosrà dia ho fitalanjonana sy fandatsa, ho tany efitra sady voaozona; ary ny tanànany rehetra ho rava mandrakizay.

14 Nahazo filazana avy amin'ny Tompo aho, sady nisy iraka nalefa ho any amin'ny firenena hanao hoe: Mivoria hianareo, ary mandehana mamely azy, mitsangàna hianareo mba hiady!

15 Fa efa nataoko kely bitika hianao eo amin'ny firenena, ataon'ny olona tsy ho zavatra.

16 Nahasodoka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, hianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an'ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy eny hianao, - teny marin'ny Tompo.

17 Ho zary fitalanjonana Edoma: Ho talanjona avokoa ny mpandalo, sady hisitrisitra, mahita ny feriny rehetra.

18 Hanahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora mbamin'ireo tanàna nanodidina azy izy, hoy Iaveh; ka tsy hisy olona monina ao, na hisy zanak'olombelona hipetraka ao.

19 Indro izy, miakatra sahala amin'ny liona, avy ao an-kirihitralan'i Jordany izay misy vilona mandrakariva; ka hampandosiriko tampoka hiala ao Edoma, dia ilay voafidiko no hapetrako ao. Fa iza moa no tahaka ahy? Zovy no hihantsy ahy? ary iza moa no mpiandry ondry hifanandrina amiko?

20 Ka henoy ary ny fikasana naraikitry ny Tompo hamelezana an'i Edoma, sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny mponina any Temàna: Eny, hotaritarihana hoatra ny ondry malemy izy; eny, hitanàka mihitsy ny taniny fiandrasana biby fiompy.

21 Mihorohoro ny tany, azon'ny fiezinezin'ny fianjerany, re hatrany amin'ny ranomasina Mena ny feony miantsoantso.

22 Indro izy misondrotra, miezaka manodidina toy ny voromahery; mamelatra ny elany eny ambonin'i Bosrà; ary ny fon'ireo mpiady maherin'i Edoma, amin'izany andro izany, dia tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza.

23 Teny mamely an'i Damasa. Very hevitra Hamata sy Arfada, fa nandre filazan-doza izy, ka nivarahontsan'ny tahotra, mova tsy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony.

24 Ketraka i Damasa ka nihodina handositra; azon'ny vadi-po izy; ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy, tahaka ny vehivavy raha miteraka.

25 Zary haolo manao ahoana re ilay tanàna be voninahitra, i lay tanànam-pahafinaretana sy fifaliana.

26 Koa ho lavo eny amin'ny kianjany ny zatovony, mbamin'ny miaramilany rehetra, ho faty amin'izany andro izany izy ireo, - teny marin'ny Tompon'ny tafika.

27 Handrehitra afo ao anatin'ny mandan'i Damasa aho, ka handevona ny lapan'i Bena-Hadada izany.

28 Teny mamely an'i Sedara sy ireo fanjakan'i Hasora, izay nasian'i Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona. Izao no lazain'ny Tompo: Mitsangàna, mandehana mamely an'i Sedara, aringano ny taranaky ny Atsinanana!

29 Aoka halaina ny lainy sy ny biby fiompiny! hoesorina aminy ny ambain-dainy, mbamin'ny entany rehetra sy ny ramevany! ary aoka hisy hiantsoantso aminy hoe: Misy fangorohoroana hatraiza hatraiza!

30 Manavota aina hianareo, mandosira araka izay tratry ny ainareo, mamitsaha, ry mponina any Hasora! - teny marin'ny Tompo. Fa Nabokodonozora, mpanjakan'i Babilona, namoron-kevitra hamelezana anareo, nanao fikasana hamelezana anareo,

31 Mitsangàna, mandehana mamely firenena tsy manana ahiahy, mandry fahizay eo amin'ny fonenany, - teny marin'ny Tompo, dia izay tsy manam-bavahady, na hidy, izay mitoka-monina.

32 Ny ramevany ho babonareo, ny biby fiompiny iray dia marenina, ho remby. Haeliko any amin'ny rivotra rehetra ireo olona mihety fihirifana ireo, ary hahatonga fandravana azy avy hatraiza hatraiza aho, - teny marin'ny Tompo.

33 Ka dia ho zary fieren'amboadia Hasora, sy ho tany lao mandrakizay; tsy hisy olona monina ao, tsy hisy zanak'olombelona hipetrakao ao akory.

34 Ny tenin'ny Tompo izay natao tamin'i Jeremia mpaminany, ny amin'i Elama, tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Sedesiasa mpanjakan'i Jodà, nanao hoe:

35 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Indro fa andeha hotapahako ny tsipìkan'i Elama, izay fototry ny heriny.

36 Hitondra rivotra efatra ho amin'i Elama aho, avy amin'ny lafiny efatry ny lanitra, dia haeliko amin'ireo rivotra rehetra ireo izy; ka tsy hisy firenena tsy ho tongan'ny mpandositra avy ao Elama.

37 Hampangovitra an'i Elama eo anoloan'ny fahavalony aho, sy eo anoloan'izay mitady ny ainy. Hahatonga loza aminy aho, dia ny afon'ny fahatezerako mirehitra, - teny marin'ny Tompo. Ary handefa sabatra eo aorian'izy ireo aho, mandra-pandringako azy.

38 Hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako, ka haripako avokoa, na mpanjaka na mpanapaka ao, - teny marin'ny Tompo.

39 Nefa any amin'ny farandro any, hampodiko ny voababo tamin'i Elama, - teny marin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0465