Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 5
Fahasimbana amam-pikorontanana mahazo an'i Jerosalema.
1Tetezo ny lalana ao Jerosalema,
ka jereo, fotory;
savao eny amin'ny kianjany
raha sendra mahita olona iray ao hianareo,
raha misy iray monja aza, mba manao ny rariny
sy mitady ny hitsiny,
dia hamindra fo amin'ny tanana aho.
2Na dia amin'ny teniny manao hoe: Velona Iaveh! aza,
dia mianiana tsy to izy.
3Ry Tompo o, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin'ny masonao?
Nikapoka azy hianao, fa tsy nalahelo izy;
nandripaka azy hianao, fa tsy nety nino anatra izy;
nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany,
tsy nety nibebaka izy.
4Ary hoy aho kosa nanao hoe: Ny ankizy ihany izany.
Manao tahaka ny adala izy, fa tsy mahalala ny lalan'ny Tompo izy ireo,
sy ny lalan'ny Andriamaniny.
5Ka ry zareo lehibe no halehako, ireo no hitenenako;
Fa ireo no mahalala ny lalan'ny Tompo,
sy ny lalan'ny Andriamaniny...
Kanjo ireo koa, samy efa nanapaka jioga
sy nanito fatorana avokoa!
6Noho izany ny liona avy any an'ala namely azy;
ny amboadia avy any an'efitra mandringana azy;
ny pantera mamitsaka eo anoloan'ny tananany,
ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa;
satria efa maro ny hadisoany,
ary efa betsaka ny fiodinany.
7Ahoana ange no hamindrako fo aminao?
Ny zanako, nahafoy ahy,
sady mianiana amin'izay tsy Andriamanitra.
Izaho namoky azy, izy kosa nitolo-tena tamin'ny hafa;
mandeha manao andiany, ho any an-tranon'ny vehivavy janga.
8Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo,
ka samy maneno amin'ny vadin'ny namany avy.
9Koa tsy hosaziko va izy amin'izany heloka izany!
- teny marin'ny Tompo;
ary izay firenena toy izany va
tsy hovaliako?
10Aniho ny mandany ka ravao,
fa aza levonina avokoa;
esory ny sakeliny,
fa tsy an'ny Tompo ireny!
11Satria efa nivadika tamiko,
ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda,
- teny marin'ny Tompo.
12Efa nanda an'ny Tompo izy, fa nanao hoe: Tsy misy izy,
ka tsy hisy loza hanjo antsika;
tsy hahita sabatra na mosary isika.
13Ny mpaminany, rivotra foana,
fa tsy misy miteny ao anatin'izy ireo:
ka ny tenan'izy ireo ihany no aoka hozoin'izany.
14Noho izany, izao koa no lazain'ny Tompo,
Andriamanitry ny tafika:
Noho izany vava ataonao izany,
indro ny teniko hataoko toy ny afo no eo am-bavanao;
ary ity vahoaka ity ho kitay hazo;
ka holevonin'izany afo izany.
15Inty aho mitondra hamely anareo
firenena iray avy lavitra,
ry taranak'Israely, - teny marin'ny Tompo;
firenena mahery izy io, firenena fahagola,
firenena tsy hainao fiteny,
ary tsy fantatrao izay lazainy.
16Fasana misokatra ny tranon-jana-tsipikany;
lehilahy mahery avokoa izy.
17Holaniny ny hanina amam-bokatrao;
holaniny ny zanakao lahy aman-janakao vavy
holaniny ny ondry aman'ombinao;
holaniny ny voalobokao aman'aviavinao;
horavany amin'ny sabatra ny tanananao mimanda
izay nitokianao.
18Nefa na dia amin'izany andro izany aza, - teny marin'ny Tompo,
tsy dia hofongorako avokoa hianareo.
19Ary raha tahiny hianareo manao hoe:
Nahoana Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay?
izao no lazainao aminy:
Toy ny nahafoizanareo ahy,
hanompoanareo andriamani-kafa eo amin'ny taninareo,
no hanompoanareo olon-kafa,
eo amin'ny tany tsy anareo.
20Ambarao izao amin'ny taranak'i Jakoba
ary torio amin'i Joda arak'izao teny izao:
21Henoinareo ary izao, ry firenena adala sy tsy misy fo,
mana-maso izy fa tsy mahita;
manan-tsofina fa tsy mandre!
22Tsy hatahotra ahy va hianareo, - teny marin'ny Tompo;
tsy hangovitra eo anatrehako va hianareo;
Izaho no nanao ny fasika ho fefin'ny ranomasina,
dia fefy mandrakizay tsy hihoarany!
Mitopatopa ny onjany, fa tsy afaka izy;
mirohondrohona izy, fa tsy afa-mihoatra azy.
23Fa ity vahoaka ity manana fo maditra sy miodina;
mihataka izy dia lasa.
24Fa tsy mba manao anakam-po hoe:
Aoka isika hatahotra an'ny Tompo Andriamanitsika,
izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha-orana
sy ny fara-orana, amin'ny fotoanany avy,
sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
25Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany;
ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.
26Fa misy ratsy fanahy amin'ny vahoakako;
mamitsaka toy ny mpamandri-borona mijoko izy,
mamela-pandrika izy, ka mahazo olona.
27Toy ny tranom-borona feno vorona,
no mahafeno fitaka ny tranony.
Amin'izany izy, tonga lehibe sy manan-karena;
28mihamatavy mandimandina izy ireo.
Mihoa-pampana amin'ny fanaovan-dratsy izy;
tsy manao fitsarana marina, fitsarana marina ho an'ny kamboty... nefa ambinina ihany!
tsy manome hitsiny ny mahantra.
29Tsy hasiako saziny va izany heloka izany?
- teny marin'ny Tompo;
ary izay firenena toy izany va
tsy hovaliako!...
30Zava-betaveta sy mahatsiravina
no atao amin'ny tany.
31Ny mpaminany, maminany lainga,
ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak'ireo mpaminany ireo;
ary ny vahoakako mankasitraka izany!
Ka inona no hataonareo hiafaran'izany rehetra izany! >