Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Jeremia

Jeremia toko 50
Babilona.

       1Ny teny notononin'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Jeremia mpaminany, ny amin'i Babilona sy ny tanin'ny Kaldeana.
       2Ambarao any amin'ny firenena, torio izao,
manangàna saina, ka torionareo izao;
aza afeninareo fa lazao hoe: Azo, Babilona.
Mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
       3Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy,
ka hataony lao ny taniny,
fa tsy hisy olo-monina intsony;
nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin'ny Tompo.
       4Amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany,
hiverina ny zanak'Israely,
dia izy sy ny zanak'i Jodà koa miaraka aminy.
Hitomany eny am-pandehanana izy ireo,
ka hitady an'ny Tompo Andriamaniny.
       5Hanontany ny amin'i Siona izy, dia hitodika manatrika azy.
Avia hianareo, ka miraiketa amin'ny Tompo isika,
amin'ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.
       6Efa andian'ondry nanjiona ny oloko
narebirebin'ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodoka;
nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy,
ka nanadino ny valany.
       7Izay nahita azy ireo, nihinana azy avokoa;
ka hoy ny fahavalony: Tsy meloka isika!
satria izy ireo efa nanota tamin'ny Tompo, ilay fonenan'ny fahamarinana;
tamin'ny Tompo, ilay fanantenan'ny razany.
       8Mandosira, mialà ao afovoan'i Babilona hianareo,
ary mitsoaha miala ao amin'ny tanin'ny Kaldeana;
aoka ho toy ny osilahy, loha-làlan'ny andiam-biby fiompy.
       9Fa indro aho hanainga
sy handefa hamely an'i Babela
ny fitambaran'ny firenena lehibe
avy amin'ny tany any avaratra.
Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any;
ny tsipìkany dia tsipìkan'ny mpiady mahery
izay tsy mba miverina mitondra tànam-polo.
       10Dia horobaina Kaldea,
ho voky avokoa izay handroba azy,
- teny marin'ny Tompo.
       11Eny, mifalia hianareo; eny, miravoravoa hianareo,
ry mpamabo ny lovako;
eny, aoka hifalihavanja hoatra ny ombivavy kely eny an-tanim-bilona hianareo;
sady haneno toy ny soavaly lahy!
       12Safo-kenatra ny reninareo;
mivoaramenan'ny henatra ilay niteraka anareo.
Indro izy, fa farahidiny amin'ny firenena,
efitra, tany foana, tany karankaina!
       13Noho ny hatezeran'ny Tompo tsy honenana intsony izy,
fa ho tonga tany lao;
izay rehetra handalo eo akaikin'i Babela
ho talanjona sy hisitrisitra avokoa mahita ny feriny.
       14Milahara hamely an'i Babela, manodidina azy, hianareo mitana tsipìka rehetra.
Tifiro izy, aza itsitsian-jana-tsipìka,
fa nanota tamin'ny Tompo.
       15Manaova akoran'ady amin'ny manodidina azy, hatraiza hatraiza;
manandra-tànana izy,
mirodana ny tilikambony, mikoa ny mandany.
Fa famalian'ny Tompo izao:
ampitondray valim-bonoana izy:
toraky ny nataony no ataovy aminy!
       16Aringano ao Babela izay mamafy,
sy izay mitana antsy fijinjana amin'ny andro fararano.
Eo anatrehan'ny sabatra mpandringana
samia mihodina ho any amin'ny fireneny avy;
samia mandositra ho any amin'ny taniny avy!
       17Israely dia ondry mania
izay nohazain'ny liona:
ny voalohany nihinana azy, dia ny mpanjakan'i Asiria;
ilay anankiray hafa kosa indray, nanapatapaka ny taolany,
dia Nabokodonozora, mpanjakan'i Babela.
       18Noho izany, izao no lazain'ny Tompon'ny tafika,
Andriamanitr'Israely:
Indro aho hamangy ny mpanjakan'i Babela sy ny taniny,
toy ny efa namangiako ny mpanjakan'i Asiria.
       19Dia hampodiko ho any amin'ny fonenany indray Israely
ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy;
ary eny an-tendrombohitr'i Efraima sy Galaada,
izy no handeha hivoky.
       20Amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany, - teny marin'ny Tompo,
hikaroka izay helok'Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany,
satria havelako heloka izay sisa navelako.
       21Miakara hamely ny tanim-piodinana,
sy hamely ny mponim-panasaziana;
ravao, aringano mifanarakaraka izy, - teny marin'ny Tompo,
ka tanteraho avokoa izay nandidiako anao.
       22Fikotrokotrok'ady eny amin'ny tany
sy fandringanana be!
       23Ahoana re no naharava sy montsana
ilay fampohazan'ny tany rehetra?
Ahoana i Babela no zary zavatra maharikoriko,
eo afovoan'ny firenena?
       24Nofandrihako tamin'ny tady vavarana hianao, ka voa,
ry Babela, nefa tsy nampoizinao velively izany;
hita hianao ka voasambotra,
satria nila ady tamin'ny Tompo.
       25Novohan'ny Tompo ny firaketam-piadiany;
ka navoakany avy ao ny fitaovam-pahatezerany;
fa ananan'ny Tompo, Iavehn'ny tafika, raharaha
ny tanin'ny Kaldeana.
       26Avia hamely azy avokoa hianareo any rehetra any,
vohay ny sompiny
ka atokotokoy hoatra ny antontam-bary, dia levony;
fa aza avela hisy sisa na dia kely aza.
       27Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy.
Loza ho azy fa tonga ny androny,
dia ny fotoana hamangiana azy.
       28Fikiakiakan'ireo mandositra, sy ireo mitsoaka
miala amin'ny tanin'i Babela!
Manambara any Siona ny famalian'ny Tompo Andriamanitsika izy,
dia ny famaliany noho ny amin'ny tempoliny!
       29Antsoy hamely an'i Babela ny mpandefa tsipìka,
mbamin'izay rehetra mpanenjana tsipìka,
mitobia manodidina azy hianareo;
aza misy afa-mandositra!
Toraky ny nataony rehetra no mba ataovy aminy kosa,
fa nitsangana hanohitra an'ny Tompo, hanohitra an'ilay Masin'Israely.
       30Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin'ny kianjany,
ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa, amin'izany andro izany,
- teny marin'ny Tompo.
       31Indro aho manandrina anao, ry ilay mpirehareha!
- tenin'ny Tompo, Iavehn'ny tafika,
fa tonga ny andronao,
dia ny fotoana hamangiako anao.
       32Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy,
ka tsy hisy mpanarina;
horehetako afo ny tanànany,
ka ho levon'izany avokoa ny manodidina azy.
       33Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Ampahorina ny zanak'Israely
mbamin'ny zanak'i Jodà miaraka aminy koa;
mitana azy avokoa izy nitondra azy ho babo
fa tsy mety mandefa azy.
       34Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo,
Iavehn'ny tafika no anaran'izy io;
ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy
mba hampiadana ny tany,
sy hampangovitra ny mponina ao Babela.
       35Sabatra hamely ny Kaldeana, - teny marin'ny Tompo,
sy hamely ny mponina ao Babela,
sy hamely ny mpanapaka aman-olon-kendriny!
       36Sabatra hamely ny mpisandoka, ka aoka ho very saina izy!
Sabatra hamely ny maheriny, ka aoka hivadi-po ireny!
       37Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny,
mbamin'ireo fakofakon'olona rehetra izay eo afovoany,
ka aoka ho toy ny vehivavy ireny!
Sabatra hamely ny rakiny, ka oka horobaina ireny!
       38Faharitana anie no ho amin'ny ranony, ka aoka ho tankina!
Satria tanin-tsampy izany
ary eo anatrehan'ireny zava-mampahatahotra ireny, dia mirebireby izy ireo.
       39Koa ny biby any an'efitra aman'amboadia no honina eo,
ny ostrisa no hiorim-ponenana eo;
fa ny olona tsy hisy honina eo intsony mandrakizay;
tsy hisy mponina intsony eo, amin'ny taona mifandimby.
       40Toy ny tamin'ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma,
Gomora, mbamin'ireo tanàna manodidina azy,
- teny marin'ny Tompo,
no tsy hisian'olona monina eo;
ny zanak'olombelona tsy hitoetra eo.
       41Indro misy firenena avy any avaratra;
firenena lehibe, ombam-panjaka maro,
no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.
       42Tsipìka aman-dongy no entiny an-tànana;
olo-masiaka tsy mahalala antra izy.
Mireondreona hoatra ny ranomasina ny feony,
mitaingin-tsoavaly izy,
milahatra hoatra ny olona iray monja,
hamely anao, ry zanakavavin'i Babela.
       43Mandre izany ny mpanjakan'i Babela
dia niraviravy tànana,
nandry an-driran'antsy,
tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
       44Indro izy miakatra toy ny liona,
avy ao an-kirihitralan'i Jordany, izay misy vilona mandrakariva,
fa tampoka kosa no hampandosirako azy ireo hiala ao,
ka ilay anankiray voafidiko no hapetrako honina ao.
Fa iza moa no tahaka ahy? Zovy no hihantsy ahy,
ary iza no mpiandry ondry hahafanandrina amiko?
       45Koa henoy ary ny fikasana naraikitry ny Tompo hamelezana an'i Babela,
sy ny hevitra nosaininy hamelezana ny tanin'ny Kaldeana;
Eny, hotaritarihana hoatra ny ondry osa izy;
ary ho gaga foana amin'izany ny tanim-bilona!
       46Mihorohoro ny tany, rahefa re fa hoe azo Babela,
ka misy antso re any amin'ny firenena. >