Bokin'i Jeremia

Toko faha-7

1 Izao no teny natao tamin'i Jeremia, tamin'ny anaran'ny Tompo, dia toy izao:

2 Mitsangàna eo am-bavahadin'ny tranon'ny Tompo, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'ny Tompo hianareo rehetra lehilahy amin'i Jodà, izay miditra amin'ireto vavahady ireto, hivavaka amin'ny Tompo. 3 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Ahitsio ny làlanareo aman'asanareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo.

4 Aza matoky ny teny laingan-dry zareo manao hoe: Ity no tempolin'ny Tompo, tempolin'ny Tompo, tempolin'ny Tompo!

5 Fa raha ahitsinareo ny làlanareo aman'asanareo; raha tsarainareo marina ny adin'ny olona amin'ny namany,

6 raha tsy ampahorinareo ny vahiny, sy ny kamboty amam-pitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin'ity tany ity hianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,

7 dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo; amin'ity tany efa nomeko ny razanareo hatramin'ny andro taloha ka hatramin'ny mandrakizay.

8 Kanefa ny itokianareo dia teny lainga, tsy mahasoa anareo velively akory!

9 Aiza ka dia avy mandainga, mamono olona, maka vadin'olona, mianian-tsy to, manemboka an'i Baala, ary manaraka andriamani-kafa tsy fantatrareo hianareo!

10 dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin'ity trano iantsoana ny anarako ity, ka manao hoe: Ho afaka isika! Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton'izany.

11 Moa zohy fieren'ny mpangalatra eo imasonareo va, ity trano iantsoana ny anarako ity? Izaho koa mba nahita izany, - teny marin'ny Tompo.

12 Mandehana mankany amin'ilay nitoerako any Silao, izay namponenako ny anarako fahiny, ka zahao ny nanaovako azy, noho ny haratsian'Israely vahoakako.

13 Ary ankehitriny rahefa nanatanteraka izany rehetra izany hianareo, - teny marin'ny Tompo, - ary rahefa niteny taminareo aho, fa niteny taminareo hatry ny vao maraina aho, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo aho, nefa tsy novalianareo,

14 dia ataoko amin'ity trano ity izay niantsoana ny anarako, izay ametrahanareo ny fitokianareo, dia ity fitoerana ity izay efa nomeko anareo sy ny razanareo, izay nataoko tamin'i Silao;

15 Ary ka hoesoriko eo anatrehako hianareo, toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak'i Efraima rehetra.

16 Ary hianao aza mifona ho an'ity vahoaka ity; aza manandratra fitarainana na fivavahana ho azy, ary aza miambezo amiko, fa tsy hihaino anao aho.

17 Tsy hitanao va ny ataon'izy ireo, eny an-tananan'i Jodà, sy eny an-dàlamben'i Jerosalema?

18 Ny zanaka manangon-kitay; ny ray mandrehitra afo; ny vehivavy mametafeta koba, hanaovana mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra, sy hanidina fanatitra araraka ho an'andriamani-kafa, mba haniratsirana ahy.

19 Moa izaho va no tsiratsirainy, - teny marin'ny Tompo, fa tsy ny tenany ihany, ka tsy maintsy hangaihay tava izy amin'izany?

20 Koa izao no lazain'ny Tompo Tompo: Indro haidina amin'ity tany ity, ny hatezerako amam-pahavinirako, dia amin'ny olona sy ny biby, amin'ny hazo eny an-tsaha sy ny vokatry ny tany; ary hirehitra izany, ka tsy ho faty.

21 Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'Israely: Anampio ny soronareo ny sorona doranareo ka hano ny henan'izany;

22 fa tsy misy nolazaiko tamin'ny razanareo, na nandidiako azy ireo, tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin'ny tany Ejipta ny amin'ny sorona dorana sy ny sorona.

23 Fa ny amin'ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary izaho ho Andriamanitrareo, ary hianareo ho vahoakako; mizora amin'ny làlana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra hianareo.

24 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka ny saim-pantany, nanaraka ny hamafin'ny fo ratsiny; nihemotra izy fa tsy nandroso.

25 Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo tany Ejipta, ka mandrak'androany, dia naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra ho any aminareo aho, naniraka azy vao maraina isan'andro aho;

26 kanefa izy ireo tsy nihaino ahy, tsy nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.

27 Holazainao aminy izany rehetra izany, nefa tsy hihaino anao izy; hiantsoantso azy ireo hianao, nefa tsy hamaly anao izy.

28 Ka dia izao no holazainao azy ireo: Ity no firenena tsy nihaino ny feon'ny Tompo Andriamaniny, sady tsy nety nino anatra; very ny fahamarinana, fa tsy eo am-bavany intsony.

29 Harato ny volonao, dia ario; ka miventesa hira fisaonana eny amin'ny havoana, satria nakifik'Iaveh sy nolaviny, ny taranaka mahatezitra azy.

30 Fa nanao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Jodà, - teny marin'ny Tompo: nametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano niantsoana ny anarako mba handotoany azy;

31 ary nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, amin'ny lohasahan'ny zanak'i Hinnoma, handoroany amin'ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy; nefa zavatra tsy mba nodidiako izany, na mba noheverin'ny saiko akory.

32 Noho izany, indro tamy ny andro, - teny marin'ny Tompo, izay tsy hanaovana hoe Tofeta na lohasahan'ny zanak'i Hinnoma intsony, fa hoe "Lohasaha famonoana" kosa, ary any Tofeta aza no handevenana, noho ny hateren'ny tany!

33 Ka ny fatin'ity firenena ity dia hohanin'ny voromadinina sy ny bibin'ny tany, ary tsy hisy handroaka ireny akory.

34 Hataoko mitsahatra eo an-tanànan'i Jodà, sy eny an-dàlamben'i Jerosalema ny feo fifaliana sy ny feo firavoravoana, ny hiran'ny mpampakatra sy ny ampakarina; fa hanjary efitra ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1144