Bokin'i Jeremia
Jeremia toko 9
Fanomezan-tsiny sy fandrahonana (tohiny).
1Iza no mba hampahita ahy,
fialofan'ny mpandeha any an'efitra,
handaozako ny fireneko,
hihatahako amin'izy ireo;
satria izy ireo mpijangajanga avokoa,
fiangonan'ny mpivadika.
2Manenjan-dela, toy ny tsipìka, handefasan-dainga;
tsy amin'ny marina no mampahery azy ao amin'ny tany,
fa mivarilavo amin'ny fahotana ihany izy ireo,
ary izaho tsy mba fantany, -teny marin'ny Tompo.
3Samia miaro tena amin'ny sakaizany avy hianareo,
ary aza matoky izay rahalahy, na dia iray aza;
fa misongona no hany ataon'ny rahalahy rehetra;
ary lasa mitati-bolana fanaratsiana avokoa ny sakaiza.
4Izy rehetra samy mifamitaka;
tsy mba milaza ny marina;
mampiasa lela mandainga,
misahirana hanao ratsy.
5Monina eo afovoan'ny minia tsy marina hianao;
fa minia tsy marina izy ireo no mandà tsy hahalala ahy,
- teny marin'ny Tompo.
6Koa izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Indro aho handrendrika azy amin'ny memy sy hizaha toetra azy;
fa inona indray moa no hatao amin'ny zanakavavin'ny vahoakako?
7Longy mahafaty ny lelan'izy ireo;
fa lainga no hany alefany;
Fihavanana no lazain'ny vavany amin'ny namana,
nefa ao anatin'ny fony dia otrika no heveriny hamelezana azy.
8Ka tsy hosaziko va izy amin'izany heloka izany?
- teny marin'ny Tompo,
ary izay firenena toy izany va,
tsy hovaliako?
9Ny tendrombohitra dia hanaovako fitarainana sy fitomaniana,
ny tanim-bilona any an'efitra hanaovako hira fisaonana!
Fa may ireny, ka ny olona tsy mandalo ao intsony;
ny feom-biby fiompy tsy re ao intsony;
ny voromanidina amam-biby fiompy
nandositra tsy misy intsony.
10Ary Jerosalema hataoko korontam-bato,
sy fieren'amboadia;
ny tanànan'i Jodà koa hataoko lao,
tsy misy mponina.
11Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao,
izay efa nitenenan'ny vavan'ny Tompo, mba hampahalala izao?
Nahoana no rava ny tany
sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory?
12Dia hoy Iaveh: Satria izy ireo nahafoy ny lalàko,
izay nataoko teo anoloany;
tsy nihaino ny feoko, sy tsy nanaraka izany.
13Fa nizotra izy ireo araka ny ditran'ny fony,
sy nanaraka an'i Baala,
izay natoron'ny razany azy.
14Noho izany, izao no lazain'ny Tompo
Andriamanitr'Israely:
Indro ity firenena ity ho fahanako zava-mangidy,
hampisotroiko rano misy poizina.
15Haeliko any amin'ny firenen-tsamihafa,
izay tsy fantatr'izy ireo na ny razany akory,
ary halefako hamely azy ny sabatra
mandra-pandringako azy.
16Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika:
Mihevera ny hiantsoana izay hiati-dranomaso
ka aoka ho tonga izy ireo!
Maniraha ho any amin'ireo mahay indrindra,
ka aoka ho tonga ireny!
17Aoka ho tonga faingana izy, aoka hiventy
fidradradradrana amintsika;
aoka hijoy ny ranomasontsika,
sy hivarina ny ranomaso avy amin'ny hodi-masontsika.
18Fa misy feo fidradradradrana re avy ao Siona manao hoe:
Indrisy ity isika dia rava,
safo-kenatra, tsy maintsy mandao ny tany,
satria efa nazera ny tranontsika!
19Hianareo vehivavy, mihainoa ny tenin'ny Tompo,
ary aoka horaisin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany!
Ampianaro hira fitomaniana anankiray ny zanakavavinareo,
ary samia mampianatra hira fisaonana anankiray ny namany avy.
20Fa tafanika tamin'ny varavarankelintsika ny fahafatesana,
tafiditra ny lapantsika izy,
handringana ny zaza eny an-dalambe,
sy ny zatovo eny an-kianjam-bahoaka:
21Ataovy hoe: Izao... - teny marin'ny Tompo:
Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha,
ny fatin'ny olona,
sy hoatra ny andalam-bary eo aorian'ny mpijinja,
ka tsy misy mpanangona.
22Izao no lazain'ny Tompo:
Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny;
ny mahery, tsy hirehareha amin'ny heriny;
ny manan-karena, tsy hirehareha amin'ny hareny.
23Fa izao no aoka hireharehan'ny mirehareha:
Ny ananany saina sy ahalalany ahy.
Fa izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po,
sy ny hitsiny ary ny rariny ety ambonin'ny tany,
fa izany no ankasitrahako, - teny marin'ny Tompo.
24Indro avy ny andro, - teny marin'ny Tompo,
izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin'ny tsy voafora,
25dia Ejipta, Jodà, Edoma,
ny taranak'i Ammona, Moada,
mbamin'izay rehetra miharatra fihirifana,
izay monina any an'efitra;
satria ny firenena rehetra dia tsy voafora,
ary ny taranak'Israely koa, tsy voafora fo. >