Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Joany

1 Joany toko 5, 1-6
Ny finoana no ihavian'ny fitiavana, sady antoky ny fiainana mandrakizay - Mihaino antsika ny Tompo - Anatra farany.

       1Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa. 2Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. 3Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, 4satria izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an'izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza àry no maharesy an'izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra?
       6Dia izy no ilay avy tamin'ny rano sy ny rà; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. >