Epistola Voalohan'i Md. Joany
1 Joany toko 3, 1-3
Ny zanak'Andriamanitra sy ny zanaky ny demony - Ny fitiavana ny rahalahy - Ny fanatonana an'Andriamanitra amin-toky.
1Endrey ity haben'ny fitiavan'Andriamanitra antsika, amin'ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala azy. 2Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka ny tena toetrany.
3Izay rehetra manana izany fanantenana izany ao aminy dia manadio ny tenany, mba ho madio tahaka azy. >