Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Joany

1 Joany toko 5, 1-9
Ny finoana no ihavian'ny fitiavana, sady antoky ny fiainana mandrakizay - Mihaino antsika ny Tompo - Anatra farany.

       1Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay niteraka azy, dia tia azy naterany koa. 2Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. 3Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, 4satria izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an'izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5Iza àry no maharesy an'izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak'Andriamanitra?
       6Dia izy no ilay avy tamin'ny rano sy ny rà; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. 7Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. 8Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. 9Raha ny fanambaran'ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaran'Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny fanambaran'Andriamanitra, dia ny nanambarany ny Zanany indrindra. >