Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 1
Ny nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo - Ny nanambaran'i Joany an'i Jesoa - Ny nahazahoan'i Jesoa ny mpianany voalohany.
1Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. 2Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. 4Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. 5Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.
6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany; 7tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. 8Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. 9Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. 10Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. 11Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. 12Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra. 14Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy.
15Nanambara azy Joany, ka niantso nanao hoe: izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako izy. 16Ary avy amin'ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, 17satria ny Lalàna moa nomena tamin'ny alàlan'i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin'ny alàlan'i Jesoa-Kristy. 18Tsy dia nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin'ny Ray ihany no hany nanambara azy.
19Ary izao no nambaran'i Joany raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: Iza moa hianao? 20Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe: Tsy Kristy aho. 21Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: Iza àry? Elia va hianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va hianao? Fa hoy ny navaliny: Tsia. 22Ka hoy izy ireo taminy: Iza àry hianao, mba hitondranay valy amin'izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao? 23Dia hoy izy: Izaho no feon'ny miantso any an'efitra hoe: Ahitsio ny làlan'ny Tompo, araka izay voalazan'Izaia mpaminany. 24Ary Farisiana ireo iraka ireo. 25Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana àry hianao no manao batemy raha tsy Kristy, na Elia, na ilay Mpaminany? 26Ka novalian'i Joany hoe: Izaho manao batemy amin'ny rano; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, 27dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany aza aho. 28Tany Betania an-dafin'i Jordany, izay nanaovan'i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.
29Nony ampitso, nahita an'i Jesoa nanatona azy Joany ka hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra; indro ilay manala ny fahotan'ny olona. 30Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako izy. 31Ary izaho tsy nahalala azy; fa mba hampisehoana azy amin'Israely no nahatongavako manao batemy amin'ny rano. 32Ary nilaza marina Joany nanao hoe: Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. 33Ary izaho tsy nahalala azy, fa izay naniraka ahy hanao batemy amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay hitanao hidinan'ny Fanahy Masina sy hitoerany eo amboniny no ilay manao batemy amin'ny Fanahy Masina. 34Ary nahita aho ka milaza marina fa izy no Zanak'Andriamanitra.
35Nony ampitson'izay indray, dia mbola teo koa Joany sy ny mpianany roa lahy; 36ka hoy izy nahatazana an'i Jesoa nandalo: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra. 37Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an'i Jesoa. 38Ary nitodika Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka azy, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy ireo taminy: Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza hianao no mitoetra? 39Dia hoy izy taminy: Avia fa ho hitanareo. Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin'iny andro iny; ary tokony ho tamin'ny ora fahafolo tamin'izay.
40Andre rahalahin'i Simona Piera no anankiray tamin'izy roa lahy izay nandre ny tenin'i Joany ka nanaraka an'i Jesoa. 41Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia Simona rahalahiny ka nilazany hoe: Efa hitanay ny Mesia (izany hoe ny Kristy, raha adika). 42Dia nentiny nankany amin'i Jesoa izy, ka nony nijery azy Jesoa dia nanao hoe: Hianao no Simona zanak'i Joany; hatao hoe Sefasy hianao, izany hoe, Piera. 43Nony ampitso, niroso nankany Galilea Jesoa, ary nifanena tamin'i Filipo izy ka nanao taminy hoe: Manaraha ahy. 44Avy ao Betsaïda tanàna nihavian'i Andre sy Piera ihany koa Filipo.
45Filipo kosa nifanena tamin'i Natanaely ka nanao taminy hoe: Efa hitanay ilay voalazan'i Moizy tao amin'ny Lalàna, sy nambaran'ny mpaminany, dia Jesoa zanak'i Josefa avy any Nazareta. 46Ka hoy Natanaely taminy: Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Avia, ary zahao. 47Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona azy Jesoa, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka. 48Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy hianao. 49Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra, hianao no Mpanjakan'Israely. 50Ary hoy Jesoa taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin'ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao. 51Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'olona hianareo. >