Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 1, 47-51.
<47Nony nahita an'i Natanaely tamy nanatona azy Jesoa, dia nilaza azy hoe: Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka. 48Ka hoy Natanaely taminy: Ahoana no nahalalanao ahy? Ary hoy ny navalin'i Jesoa azy: Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako tao ambanin'ny aviavy hianao. 49Dia namaly azy Natanaely, ka nanao hoe: Raby รด, Hianao no Zanak'Andriamanitra, hianao no Mpanjakan'Israely. 50Ary hoy Jesoa taminy: Mino hianao satria nilazako fa hitako tao ambanin'ny aviavy hianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza hianao. 51Dia hoy koa izy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin'ny Zanak'olona hianareo. >