Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 1, 1-18
Ny nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra ho nofo - Ny nanambaran'i Joany an'i Jesoa - Ny nahazahoan'i Jesoa ny mpianany voalohany.

       1Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. 2Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. 3Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. 4Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. 5Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.
       6Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra, Joany no anarany; 7tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny. 8Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. 9Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. 10Teo amin'izao tontolo izao izy, ary izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao. 11Tonga tao amin'ny olony izy, fa ny olony tsy nandray azy. 12Fa izay rehetra nandray azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, 13ka tsy mba nateraky ny rà, na ny sitra-pon'ny nofo, na ny sitra-pon'ny olona ireo, fa naterak'Andriamanitra. 14Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin'ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy.
       15Nanambara azy Joany, ka niantso nanao hoe: izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako izy. 16Ary avy amin'ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, 17satria ny Lalàna moa nomena tamin'ny alàlan'i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin'ny alàlan'i Jesoa-Kristy. 18Tsy dia nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin'ny Ray ihany no hany nanambara azy. >