Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 10
Jesoa no mpiandry ondry tsara - Manao ny tenany ho iray amin'ny Rainy Jesoa, ka saika hitora-bato azy ny Jody.
1Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika amin'ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; 2fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry. 3Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin'ny anarany avy sy mamoaka azy. 4Rahefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: 5ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony. 6Nolazain'i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon'izy ireo izay nolazainy tamin'izany. 7Ka hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran'ny ondry. 8Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. 10Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
11Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny; 12fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon'ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny amboadia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, 13satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny ahy aho no fantatry ny ahy, 15tahaka ny ahalalan'ny Ray ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary izaho koa mahafoy ny aiko ho an'ny ondriko. 16Mbola manana ondry hafa koa aho izay tsy amin'ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan'ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. 17Izao no itiavan'ny Ray ahy: satria mahafoy ny aiko aho, mba handraisako azy indray. 18Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin'ny Raiko.
19Dia nifanditra indray ny Jody nony nandre ireo teny ireo. 20Ny maro tamin'ireo moa nanao hoe: Manana demony izy sady very saina, ka nahoana no mihaino azy hianareo? 21Fa ny sasany kosa nanao hoe: Tsy mba tenin'olona manana demony izany; ary demony koa ve hahay mampahiratra ny mason'ny jamba?
22Tamin'izay tonga ny fetin'ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro, 23ary Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin'ny lavarangan'i Salomona. 24Dia nitangoronan'ny Jody izy ka nilazany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha hianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay. 25Dia hoy Jesoa namaly azy: Efa nilaza taminareo aho, fa tsy mino hianareo; manambara ahy koa ny asa ataoko amin'ny anaran'ny Raiko; 26fa tsy mino hianareo satria tsy mba isan'ny ondriko. 27Ny ondriko mihaino ny feoko, izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy; 28omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tànako. 29Izay nomen'ny Raiko ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tànan'ny Ray. 30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
31Dia naka vato hitorahana azy indray ny Jody; 32fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin'ny Ray, ka iza amin'ireny asa ireny no itorahanareo ahy? 33Dia hoy ny Jody namaly azy: Tsy ny asa soa no itorahanay anao, fa ny teninao miteny ratsy an'Andriamanitra; satria olombelona fotsiny hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra. 34Ary Jesoa namaly azy hoe: Moa tsy izao no voasoratra ao amin'ny Lalànareo: Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo? 35Ka raha ireny nanambarana ny tenin'Andriamanitra ireny aza antsoin'ny lalàna hoe Andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, 36ahoana no ilazanareo an'ilay nohamasin'ny Ray sy nirahiny ety ambonin'ny tany hoe: miteny ratsy an'Andriamanitra hianao satria nilaza hoe: Zanak' Andriamanitra aho? 37Raha tsy manao ny asan'ny Raiko aho, dia aza mino ahy hianareo; 38fa raha manao ihany kosa aho, na dia tsy te-hino ahy aza hianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray eto amiko, ary izaho ao amin'ny Ray. 39Tamin'izay dia nitady hisambotra azy indray izy ireo, fa niala teo an-tànany izy.
40Dia lasa izy nankany an-dafin'i Jordany, amin'ilay tany nanaovan'i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany. 41Ary maro no nanatona azy, fa nanao hoe: Tsy nanao fahagagana Joany; 42nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan'i Joany azy. Koa maro no nino azy teo. >