Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 10, 1-10
Jesoa no mpiandry ondry tsara - Manao ny tenany ho iray amin'ny Rainy Jesoa, ka saika hitora-bato azy ny Jody.

       1Lazaiko marina aminareo, fa izay tsy miditra amin'ny vavahady ho amin'ny valan'ondry, fa mananika amin'ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; 2fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ondry. 3Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin'ny anarany avy sy mamoaka azy. 4Rahefa tafavoakany avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: 5ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony. 6Nolazain'i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon'izy ireo izay nolazainy tamin'izany. 7Ka hoy indray Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izaho no varavaran'ny ondry. 8Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9Izaho no varavarana. Raha izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. 10Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa izaho no avy kosa dia mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be. >