Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-11

1 Nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazara avy any Betania, vohitr'i Maria sy Marta rahavaviny.

2 Maria dia ilay vehivavy nanosotra diloilo manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany; ary Lazara anadahiny no narary. 3 Dia naniraka tany amin'i Jesoa ireto anabaviny hilaza hoe: Tompo, marary ilay tianao. 4 Nony ren'i Jesoa izany dia hoy izy: Aretina tsy ho fahafatesana ity, fa ho voninahitr'Andriamanitra, sy hahazoan'ny Zanak'Andriamanitra voninahitra. 5 Ary tian'i Jesoa i Marta sy Maria rahavaviny ary Lazara. 6 Nefa nony reny hoe marary Lazara, dia mbola nitoetra indroa andro tamin'izay nitoerany ihany izy. 7 Nony afaka izany vao hoy izy tamin'ny mpianany: Andeha isika ho any Jodea indray. 8 Ka hoy ny mpianany taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitady hitora-bato anao ny Jody, ka dia hankany indray ve hianao? 9 Dia hoy Jesoa taminy: Tsy roa ambin'ny folo ora va ny indray andro? Ka ny mandeha antoandro tsy mba tafintohina, satria mahita ny fahazavan'izao tontolo izao; 10 fa ny mandeha alina no tafintohina, satria tsy manam-pahazavana. 11 Nony voalazany izany dia nampiany hoe: Matory Lazara sakaizantsika, fa ndeha hamoha azy aho. 12 Ka hoy ny mpianany: Raha matory izy, Tompoko, dia ho sitrana. 13 Ny fahafatesany no nolazain'i Jesoa, nefa torimaso tsotra izao kosa no nampoizin'izy ireo. 14 Izay Jesoa vao nilaza tsotra tamin'izy ireo hoe: Maty Lazara,

15 ary noho hianareo dia faly aho satria tsy tao, mba hinoanareo; koa andeha isika hankany aminy. 16 Dia hoy Tomà izay atao hoe Didimo tamin'ny mpianatra nàmany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy. 17 Nony tonga tany Jesoa, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy. 18 Ary Betania dia tao akaikin'i Jerosalema tokony ho dimy ambin'ny folo stady, 19 ka maro tamin'ny Jody no tonga tao amin'i Marta sy Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. 20 Vantany vao ren'i Marta fa hoe tamy Jesoa, dia nandeha nitsena azy izy, fa Maria no nijanona tao an-trano.

21 Dia hoy Marta tamin'i Jesoa: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra anao. 23 Hoy Jesoa taminy: Hitsangana ny anadahinao. 24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro fa hitsangana izy amin'ny farandro fitsanganan'ny maty. 25 Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; 26 ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? 27 Eny, Tompoko, hoy izy taminy, mino aho fa hianao no Kristy Zanak'Andriamanitra velona, ilay hoe ho tonga amin'izao tontolo izao. 28 Ary rahefa nilaza izany izy, dia lasa niantso mangingina an'i Maria rahavaviny nanao hoe: Ao ny Tompo, ka miantso anao izy. 29 Vao nandre izany kosa Maria, dia nitsangana niaraka tamin'izay, ka nankao aminy.

30 Fa mbola tsy tonga tao an-tanàna Jesoa, fa mbola teo amin'izay nitsenan'i Marta azy ihany. 31 Nony hitan'ny Jody izay tao amin'i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy fa nitsangana haingana izy ka nivoaka, dia nanaraka azy izy ireo, fa nihevitra hoe: Lasa hitomany any amin'ny fasana izy. 32 Maria kosa, nony tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesoa ka nahita azy, dia niankohoka tamin'ny tongony sy nanao taminy hoe: Raha tatý hianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko. 33 Nony nahita azy nitomany Jesoa sy ireto Jody niara-nitomany taminy koa, dia nandevy ny fony ary nientana iray ihany ny tenany rehetra.

34 Aiza no nandevenanareo azy, hoy izy? Dia hoy ireo taminy: Andeha hianao hizaha, Tompoko. 35 Ary nitomany Jesoa. 36 Dia hoy ny Jody: Akory ity haben'ny fitiavany azy! 37 Fa hoy kosa ny sasany tamin'izy ireo: Tsy azony natao va re ny nisakana an-dralehilahy ity tsy ho faty, nefa ny mason'ilay teraka jamba nampahiratiny? 38 Dia niontana indray ny fon'i Jesoa, ary lasa izy nankeo amin'ny fasana, izay zohy norakofana vato. 39 Esory ny vato, hoy izy. Ka hoy Marta anabavin'ny maty taminy: Efa maimbo izy, Tompoko, fa efa hefarana izay. 40 Ary hoy Jesoa taminy: Tsy efa voalazako taminao va fa raha mino hianao, dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe: Misaotra anao aho, Raiko, satria efa nihaino ahy hianao. 42 Raha izaho, dia fantatro fa mihaino ahy mandrakariva hianao; fa noho ireto vahoaka manodidina ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa hianao no naniraka ahy. 43 Rahefa nilaza izany izy dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: Mivoaha,ry Lazara. 44 Ka niaraka tamin'izay dia nivoaka ny maty, ny tongotra aman-tànany nisy fehim-paty, ary ny tavany nisarona lamba. Dia hoy Jesoa tamin'ny olona: Vahao izy ka avelao handeha. 45 Ary maro tamin'ny Jody izay tonga tao amin'i Maria sy Marta sy nahita ny nataon'i Jesoa no nino azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1879