Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 12
Ny nanosoran'i Maria an'i Jesoa tao Betania - Ny niakaran'i Jesoa tany Jerosalema - Ny nahajamban'ny Jody - Ny ninoan'ny sasany.

       1Nony henemana sisa tsy hahatongavan'ny Paka, dia tonga tany Betania Jesoa tany amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangan'i Jesoa tamin'ny maty. 2Nanaovan'ny tao nahandro izy, ka Marta nampihinana, Lazara isan'izay niara-nihinana taminy. 3Ary Maria kosa naka diloilo manitra saro-bidy lanjana iray livatra natao tamin'ny salohin'ny narda, dia nanosotra ny tongotr'i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany, ka nandraraka eran'ny trano ny hanitry ny diloilo. 4Tamin'izay hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika azy hoe: 5Tsy naleo re namidy denie telon-jato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra? 6Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an'izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. 7Ka hoy Jesoa taminy: Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin'ny andro handevenana ahy. 8Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava.
       9Maro tamin'ny Jody no nahare hoe tao Betania Jesoa, ka tonga tao, tsy noho Jesoa ihany, fa mba hahita an'i Lazara ilay natsangany tamin'ny maty koa. 10Fa Lazara koa dia efa notetehin'ny lehiben'ny mpisorona hovonoina, 11satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin'ny Jody ka nino an'i Jesoa.
       12Nony ampitso, dia ren'ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety fa ho avy ao Jerosalema Jesoa, 13ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena azy sy niantso hoe: Hosana, hohasoavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo, sy Mpanjakan'Israely. 14Ary Jesoa nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe: 15Aza matahotra, ry zanakavavin'i Siona; indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky. 16Tamin'izay dia tsy mbola fatatry ny mpianany ny hevitr'izany, fa nony efa voasandratra tamin'ny voninahiny Jesoa vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon'izy ireo taminy koa. 17Koa nanambara azy ny vahoaka izay nanatrika ny fiantsoany an'i Lazara hivoaka tamin'ny fasana sy ny nananganany azy tamin'ny maty, 18ka ny nandrenesan'ny vahoaka be ny nanaovany an'izany fahagagana izany indrindra no nihaviany hitsena azy. 19Dia vaky ny Farisiana nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahomby hianareo; indro fa mirohotra manaraka azy avokoa izao tontolo izao.
       20Ary nisy jentily sasany anisan'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro fety, 21nanatona an'i Filipo, izay avy tany Betsaïdan'i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesoa izahay. 22Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andre ka dia i Andre sy Filipo no niara-nilaza tamin'i Jesoa. 23Ary namaly azy Jesoa ka nanao hoe: Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin'ny tany, 25dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 26Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko koa. Raha misy manompo ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy. 27Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo aho ho afaka amin'ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin'izao ora izao. 28Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao.
Tamin'izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko voninahitra indray. 29Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: Kotro-baratra izany; fa hoy kosa ny sasany hoe: Anjely niteny taminy izay. 30Dia hoy Jesoa hoe: Tsy ho ahy izany feo izany, fa ho anareo. 31Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an'izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an'izao tontolo izao no horoahina. 32Ary izaho rahefa tafasandratra hiala amin'ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona ahy. 33(Ny nolazainy tamin'izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany). 34Ka hoy ny vahoaka namaly azy: Efa renay tamin'ny Lalàna fa maharitra mandrakizay ny Kristy, ka ahoana no lazainao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany? 35Dia hoy Jesoa taminy: Kely foana sisa hitoeran'ny mazava eo aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny aizina hianareo, satria izay mandeha amin'ny aizina dia tsy mahalala izay alehany akory. 36Minoa ny fahazavana dieny mbola eo aminareo ny fahazavana, mba ho zanaky ny fahazavana hianareo. Nony voalazan'i Jesoa izany, dia lasa izy niery azy ireo.
       37Na dia betsaka aza ny fahagagana nataony teo imason'izy ireo, dia tsy nino azy izy, 38mba hahatanteraka ny tenin'Izaia mpaminany manao hoe: Tompo ô, iza moa no nino izay teny nampilazaina anay, ary zovy no nampisehoana ny sandrin'ny Tompo? 39Izany no tsy nahazoan'izy ireo nino, sady hoy koa Izaia: 40Efa nohajambainy ny masony, ary nohamafisiny ny fony, fandrao hahita ny masony ka hahafantatra ny fony, dia hibebaka izy, ka sao hositraniko. 41Izaia no nilaza izany dia nahita ny voninahitry ny Tompo izy, ka nanambara azy.
       42Kanefa na eo aza izany, dia maro ihany na hatramin'ny loholona aza no nino azy, saingy tsy nampiseho ny finoany izy ireo noho ny Farisiana, fandrao dia roahiny amin'ny sinagoga, 43satria naleony ny voninahitra avy amin'ny olona toy izay ny voninahitra avy amin'Andriamanitra. 44Ary niantso Jesoa nanao hoe: Izay mino ahy, dia tsy izaho no inoany, fa izay naniraka ahy; 45ary izay mahita ahy, dia mahita izay naniraka ahy. 46Tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana aho, mba tsy hitoetra ao anatin'ny maizina izay rehetra mino ahy. 47Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy. 48Izay manamavo ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin'ny farandro, 49satria tsy niteny ho ahy aho, fa ny Ray izay naniraka ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. 50Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan'ny Ray tamiko. >