Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 12, 20-33.
<20Ary nisy jentily sasany anisan'izay niakatra hivavaka tamin'ny andro fety, 21nanatona an'i Filipo, izay avy tany Betsaïdan'i Galilea, ka nihanta taminy nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an'i Jesoa izahay. 22Dia lasa Filipo nilaza tamin'i Andre ka dia i Andre sy Filipo no niara-nilaza tamin'i Jesoa. 23Ary namaly azy Jesoa ka nanao hoe: Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona. 24Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin'ny tany, 25dia mitoetra foana izy: fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. Izay tia ny ainy no hahavery azy; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 26Raha misy manompo ahy, dia aoka izy hanaraka ahy, ary izay itoerako no hitoeran'ny mpanompoko koa. Raha misy manompo ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy. 27Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Raiko ô, vonjeo aho ho afaka amin'ity ora ity. Nefa izao indrindra no nahatongavako ho amin'izao ora izao. 28Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao.
Tamin'izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nomeko voninahitra izy, ary mbola homeko voninahitra indray. 29Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe: Kotro-baratra izany; fa hoy kosa ny sasany hoe: Anjely niteny taminy izay. 30Dia hoy Jesoa hoe: Tsy ho ahy izany feo izany, fa ho anareo. 31Ankehitriny dia tonga ny fitsarana an'izao tontolo izao; ankehitriny ny mpanapaka an'izao tontolo izao no horoahina. 32Ary izaho rahefa tafasandratra hiala amin'ny tany, dia hitarika ny olona rehetra hanatona ahy. 33(Ny nolazainy tamin'izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany). >