Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 13
Ny nanasan'i Jesoa ny tongotry ny mpianany - Ny nanondroan'i Jesoa izay hamadika azy sy ny nialan'i Jodasy - Ny didy vaovao.

       1Talohan'ny fetin'ny Paka, fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoana hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray, ka rahefa notiaviny tokoa ny azy izay amin'izao tontolo izao, dia fara fitiavana no nataony taminy. 2Ary raha mbola teo amin'ny fisakafoana hariva, Jodasy Iskariota zanak'i Simona moa efa nomen'ny demony hevitra hamadika azy, 3Jesoa kosa nahalala fa efa napetraky ny Ray eo an-tànany ny zavatra rehetra, ary Andriamanitra no nihaviany sady Andriamanitra koa no iverenany, 4dia nitsangana teo am-pihinanana izy: napetrany ny lambany, nalainy ny lamba famaohana ka nisikinany; 5rahefa izany, nampidina rano tamin'ny tavy izy, dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra, sy namaoka azy tamin'ny lamba nisikinany. 6Ary nanatona an'i Simona Piera izy; fa hoy Piera taminy: Adre! Hianao ve, Tompoko, no hanasa ny tongotro? 7Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Tsy fantatrao izao izay ataoko, fa ho fantatrao aoriana. 8Fa hoy Piera taminy: Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana hianao. Ka hoy Jesoa namaly azy: Raha tsy hosasako hianao, dia tsy hanana anjara amiko, 9Dia hoy Simona Piera taminy: Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko, fa ny tànako sy ny lohako koa. 10Fa hoy Jesoa taminy: Izay efa nandro, tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra, fa efa madio avokoa ny tenany manontolo. Ary hianareo koa dia madio, nefa tsy hianareo rehetra. 11Izy no nanao hoe: Tsy hianareo rehetra no madio, dia satria fantany ilay hamadika azy.
       12Nony efa voasasany ny tongotr'izy ireo, dia nandray ny lamba izy, ka nipetraka indray, ary nanao taminy hoe: Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo? 13Hianareo manao ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filazanareo; fa izany tokoa aho. 14Ka raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo, hianareo samy hianareo koa dia tsy maintsy hifanasa tongotra; 15satria nomeko fianarana hianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.
       16Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy. 17Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra hianareo raha manao izany. 18Tsy hianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidiko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely ahy. 19Ilazako izany hianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa izaho no izy. 20Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray ahy; ary izay mandray ahy, dia mandray izay naniraka ahy.
       21Rahefa nilaza izany Jesoa, dia nangorohoro ny fony, ka nanambara mazava izy nanao hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa hamadika ahy ny anankiray aminareo. 22Dia nifampijery ny mpianatra, fa tsy nahalala izay iray nolazainy. 23Ary ny anankiray tamin'izy ireo, ilay tian'i Jesoa, no teo anilany niankina tamin'ny tratrany, 24ka nanatsika azy Piera nanao taminy hoe: Iza ilay lazainy izay? 25Dia naraikany tamin'ny tratran'i Jesoa ny lohany, ka hoy izy taminy: Iza moa izany, Tompoko? 26Ary hoy Jesoa hoe: Izay hotolorako sombi-mofo natsoboka tamin'ny rò no izy. Dia natsobony ny mofo ka natolony an'i Jodasy Iskariota zanak'i Simona. 27Vantany vao nihinana ilay sombi-mofo Jodasy dia nidiran'ny demony, ka hoy Jesoa taminy: Ataovy haingana izay ataonao. 28Tsy nisy nahalala izay anton'ny nilazany izany taminy anefa ry zareo izay nipetraka nihinana; 29fa noho Jodasy nitahiry ny kitapom-bola, dia nataon'ny sasany fa izao no nolazain'i Jesoa taminy: Vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny fety, na mba omeo zavatra ny mahantra. 30Vao nandray ilay sombi-mofo Jodasy dia nivoaka niaraka tamin'izay. Efa alina ny andro tamin'izany.
       31Nony efa nivoaka izy, dia hoy Jesoa: Nomem-boninahitra izao ny Zanak'olona, ary Andriamanitra kosa no nomena voninahitra eo aminy. 32Ary raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy, dia Andriamanitra kosa no hanome voninahitra azy eo amin'ny tenany sy hanome voninahitra azy faingana. 33Anaka, kely foana sisa hitoerako aminareo. Hitady ahy hianareo, ary toy ny voalazako tamin'ny Jody hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankativa ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo. 35Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia. 36Hoy Simona Piera taminy: Ho aiza hianao, Tompoko? Dia hoy Jesoa: Ankehitriny tsy azonao aleha izay alehako, fa any aoriana mbola hanaraka ahy hianao. 37Ahy hoy Piera taminy: Ahoana, Tompoko, no tsy ahazoako manaraka anao ankehitriny? Hafoiko ho anao hatramin'ny aiko aza. 38Fa hoy Jesoa: Hafoinao ho ahy ny ainao? Lazaiko marina dia marina aminao: Alohan'ny maneno akoho, dia handà ahy intelo hianao. >