Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 14
Jesoa dia làlana sy fahamarinana ary fiainana - Izy sy ny Ray dia iray ihany - Hohenoiny ny fangatahan'ny mpianany - Homeny ny Fanahy Masina.
1Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an'Andriamanitra hianareo, ka minoa ahy koa. 2Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo aho; fa handeha aho hanamboatra fitoerana ho anareo, 3ary rahefa lasa aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. 4Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay alehako. 5Dia hoy Tomà taminy: Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no ahafantaranay ny làlana? 6Ary hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
7Raha nahafantatra ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; hatramin'izao, dia mahafantatra azy hianareo, sady efa nahita azy. 8Dia hoy Filipo taminy: Asehoy anay ny Ray, Tompoko, dia ampy ho anay izany. 9Fa hoy Jesoa taminy: Izay ela izay no nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrareo ihany ve aho, ry Filipo? Izay nahita ahy, dia nahita ny Ray koa; ka ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray? 10Tsy mino va hianao fa izaho no amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11Minoa ny teniko fa izaho ao amin'ny Ray ary ny Ray ato amiko; 12na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray aho, 13ka izay rehetra angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hotanterahiko izany. 15Raha tia ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16Ary izaho kosa hangataka amin'ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa hianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, 17dia ny Fanahin'ny fahamarinana, izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa hianareo no hahafantatra azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo izy.
18Tsy havelako ho kamboty hianareo, fa hankaty aminareo aho. 19Raha afaka kelikely, dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita ahy, satria velona aho, ary ho velona koa hianareo. 20Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa izaho ao amin'ny Raiko, hianareo ato amiko, ary ho velona koa hianareo. 21Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia ahy; ary izay tia ahy, dia hotian'ny Raiko, sy hotiako koa, ka haneho ny tenako aminy aho. 22Ary Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe: Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha misy tia ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka hotian'ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. 24Fa izay tsy tia ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy ahy, fa an'ny Ray izay naniraka ahy.
25Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo aho. 26Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. 27Fiadanana no avelako aminareo, fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. 28Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha aho, nefa mbola hiverina ho atý aminareo. Raha tia ahy hianareo, dia ho faly tokoa amin'izao handehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho izaho ny Ray. 29Ary izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany. 30Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, 31fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto. >