Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 15
Ny foto-boaloboka sy ny rantsany - Ny fifankatiavana - Halan'izao tontolo izao ny mpianatr'i Jesoa.
1Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. 2Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. 3Efa madio hianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. 4Mitomoera ao amiko, ary izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin'ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa hianareo raha tsy mitoetra ao amiko. 5Izaho no foto-boaloboka, ary hianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy izaho dia tsy mahefa na inona na inona hianareo. 6Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. 7Raha mitoetra ao amiko hianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo hianareo, ka hatao aminareo izany. 8Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be hianareo sy tonga mpianatro. 9Tahaka ny nitiavan'ny Ray ahy no nitiavako anareo koa, ka mitomoera amin'ny fitiavako hianareo. 10Raha mitandrina ny didiko hianareo no hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy itoerako amin'ny fitiavany. 11Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany. 14Hianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. 15Tsy ataoko hoe mpanompo intsony hianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Raiko. 16Tsy hianareo no nifidy ahy, fa izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan'ny vokatrareo, sy hanomezan'ny Raiko anareo izay rehetra angatahinareo amin'ny anarako. 17Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.
18Raha halan'izao tontolo izao hianareo, dia fantaro fa izaho no halany talohanareo. 19Raha olon'izao tontolo izao hianareo, dia hotian'izao tontolo izao izay azy; fa noho hianareo tsy olon'izao tontolo izao, dia halan'izao tontolo izao hianareo. 20Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehina aho, dia hoenjehina koa hianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. 21Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny anarako, satria tsy fantany ilay naniraka ahy. 22Raha tsy tonga aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin'ny fahotany. 23Izay mankahala ahy dia mankahala ny Raiko koa. 24Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon'olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala ahy sy ny Raiko. 25Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin'ny Lalàny hoe: Nankahala ahy foana izy ireo. 26Rahefa tonga ny Mpanafaka alahelo izay hirahiko aminareo avy amin'ny Ray, na ny Fanahin'ny fahamarinana izay avy amin'ny Ray, dia izy no hanambara ahy. 27Ary hianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin'ny voalohany hianareo. >