Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 18
Ny nisamborana an'i Jesoa - Jesoa eo anatrehan'i Ana sy Kaifa - Ny nandavan'i Piera azy - Ny nitsaran'i Pilaty azy.

       1Rehefa voalazan i Jesoa izany, dia lasa izy sy ny mpianany nankany an-dafin'ny riakan'i Sedrona, izay nisy saha anankiray nidiran'izy sy ny mpianany. 2Fantatr'i Jodasy ilay namadika azy koa io toerana io, satria falehan'i Jesoa sy ny mpianany matetika. 3Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny Farisiana, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo, ary fiadiana. 4Jesoa tamin'izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjò azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: Iza no tadiavinareo? 5Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Jesoa avy any Nazareta. Ka hoy Jesoa taminy: Izaho no izy. Eo koa izany Jodasy ilay namadika azy. 6Vao nilazan'i Jesoa hoe: Izaho no izy, dia nianotra izy ireo, ka niankarapoka tamin'ny tany. 7Fa nanontany azy indray Jesoa nanao hoe: Iza no tadiavinareo? Dia hoy izy ireo: Jesoa avy any Nazareta. 8Ka novalian'i Jesoa hoe: Efa voalazako taminareo fa izaho no izy; koa raha izaho no tadiavianareo, dia avelao handeha ireto. 9Izy no nilaza izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: Tsy nisy very izay nomenao ahy, na dia iray aza.
       10Ary nanan-tsabatra Simona Piera ka notsoahany dia nasiany ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana: Malkosy no anaran'ilay mpanompo. 11Fa hoy Jesoa tamin'i Piera. Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen'ny Ray ahy? 12Tamin'izay ny antoko-miaramila sy ny tompon'arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin'ny Jody, dia nisambotra an'i Jesoa, ka namatotra azy.
       13Tany amin'i Ana aloha no nitondrany azy, fa io no rafozan'i Kaifa izay lehiben'ny mpisorona tamin'izany taona izany; 14ary Kaifa kosa no ilay nanome saina ny Jody hoe mahasoa raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray. 15Nanaraka an'i Jesoa tamin'izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa; ary fantatry ny lehiben'ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin'i Jesoa tao amin'ny tokotanin'ny lehiben'ny mpisorona. 16Fa Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin'ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben'ny mpisorona, ka niteny tamin'ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an'i Piera. 17Fa hoy ity ankizivavy mpiandry vavahady tamin'i Piera: Moa tsy isan'ny mpianatr'io Lehilahy io koa va hianao? Ary hoy izy: Tsia. 18Nangatsiaka ny andro, ka nipetraka namindro teo amin'ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa Piera.
       19Ary ny lehiben'ny mpisorona nanadina an'i Jesoa ny amin'ny mpianany sy ny fampianarany; 20ka hoy Jesoa namaly azy: Niteny am-pahibemaso tamin'ny olona rehetra aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin'ny sinagoga sy ny tempoly, izay ivorian'ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; 21ka ahoana no anontanianao ahy? Ireo nihaino ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko. 22Nony nilaza izany Jesoa, dia nasian'ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina sy nataony hoe: Izany ve no famalinao ny lehiben'ny mpisorona? 23Jesoa namaly azy hoe: Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely ahy hianao? 24Dia nasain'i Ana nentina am-patorana ho any amin'i Kaifa lehiben'ny mpisorona izy.
       25Ary Simona Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe: Moa tsy isan'ny mpianany koa va hianao? Fa nandà izy nanao hoe: Tsia. 26Dia hoy koa ny anankiray tamin'ny mpanompon'ny lehiben'ny mpisorona, izay havan'ilay notapahin'i Piera sofina: Tsy hianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha? 27Fa nandà indray Piera, ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.
       28Dia nentiny niala tao amin'i Kaifa Jesoa, ho any an-tranon'ny governora. Efa maraina ny andro tamin'izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka. 29Koa Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo ala-trano, nanao hoe: Inona no iampanganareo io Lehilahy io? 30Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Raha tsy mpanao ratsy izy, dia tsy ho natolotray anao. 31Ka hoy Pilaty taminy: Ento izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Fa hoy ny Jody namaly azy: Tsy manam-pahefana hanamelo-ko faty izahay. 32Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny nambaran'i Jesoa momba ny fahafatesana hanjo azy. 33Dia niditra tao an-trano Pilaty, ka niantso an'i Jesoa sy nanao taminy hoe: Moa mpanjakan'ny Jody va hianao? 34Jesoa namaly hoe: anao samy irery izany teny izany, sa an'olon-kafa nilaza ahy taminao? 35Dia namaly Pilaty nanao hoe: F'izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra anao tamiko, ka inona no nataonao?
       36Jesoa namaly hoe: Tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako: fa raha anisan'izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain'ny Jody aho; fa tsy anisan'izao tontolo izao ny fanjakako. 37Dia hoy Pilaty taminy: Koa mpanjaka izany hianao? Ary novalian'i Jesoa hoe: Efa voalazanao. Mpanjaka aho. Teraka aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko. 38Inona no marina? hoy Pilaty taminy. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin'ny Jody indray izy ka nanao tamin'ireo hoe: Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza; 39fa araky ny fanao amin'ny Paka dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho; koa tianareo ve ny handefasako ny mpanjakan'ny Jody? 40Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe: Tsy izy, fa Barabasy. Kanefa jiolahy Barabasy. >