Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 19
Jesoa kapohina sy satrohana fehiloha tsilo ary fantsihana amin'ny hazo fijaliana.
1Tamin'izany, nalain'i Pilaty Jesoa ka nasainy nokapohina. 2Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny kapaoty jaky izy. 3Rahefa izany, dia nanatona azy izy ireo, ka sady namely tehamaina azy no nanao hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jody. 4Dia nivoaka indray Pilaty ka nanao tamin'ny Jody hoe: Indro izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza. 5Tamin'izay nivoaka Jesoa misatroka fehiloha tsilo sy mitafy kapaoty jaky, ka hoy Pilaty tamin'ny Jody: Indro ny Lehilahy. 6Nony nahita azy ny lohan'ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe: Fantsiho, fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. Fa hoy Pilaty tamin'izy ireo: Ento àry izy ka fantsihonareo, fa izaho tsy mba mahita izay helony. 7Dia hoy ny Jody namaly azy: Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay dia tsy maintsy hovonoina izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra. 8Nandre izany Pilaty vao mainka natahotra.
9Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao tamin'i Jesoa hoe: Avy aiza moa hianao? Fa tsy namaly azy Jesoa. 10Ka hoy Pilaty taminy: Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa anao aho, no manam-pahefana hamantsika anao amin'ny hazo fijaliana koa? 11Dia hoy Jesoa hoe: Tsy hanam-pahefana amiko hianao raha tsy nomena anao avy any ambony izany; koa izay nanolotra ahy taminao no meloka kokoa noho hianao.
12Hatramin'izay dia nitady handefa azy Pilaty. Fa nantsointsoin'ny Jody hoe: Raha mandefa io hianao, dia tsy mba sakaizan'i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsanga-kanohitra an'i Sezara. 13Nony nandre izany teny izany Pilaty dia nitondra an'i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin'ny fitsarana, amin'ny fitoerana atao hoe Litostrotos, na Gabata amin'ny teny hebrio. 14Andro fiomanana amin'ny Paka tamin'izay, ary tokony ho tamin'ny ora fahenina; dia izao no nolazain'i Pilaty tamin'ny Jody: Indro ny Mpanjakanareo. 15Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe: Esory, esory, fantsiho amin'ny hazo fijaliana izy. Ka hoy Pilaty taminy: Dia hofantsihako amin'ny hazo fijaliana ve ny Mpanjakanareo? Fa hoy ny lohan'ny mpisorona hoe: Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy Sezara. 16Tamin'izay dia natolony azy hofantsihana Jesoa, ka noraisin'izy ireo izy, dia nentiny.
17Nentin'i Jesoa ny hazo fijaliana, dia tonga teo amin'ny toerana atao hoe Kalvery izy, na hoe Golgota amin'ny teny hebrio. 18Teo no namantsihany azy tamin'ny hazo fijaliana, niaraka tamin'ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa, fa Jesoa teo afovoany. 19Ary nanao soratra Pilaty napetany teo an-dohan'ny hazo fijaliana, ka izao no vakiny: Jesoa avy any Nazareta mpanjakan'ny Jody. 20Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin'ny tanàna ny toerana namantsihana an'i Jesoa; sady vita tamin'ny teny hebrio sy greka ary latina ny soratra. 21Ka hoy ny mpisoron'ny Jody tamin'i Pilaty: Aza atao hoe mpanjakan'ny Jody, fa hoe izy nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jody aho. 22Fa hoy Pilaty hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
23rahefa voafantsiky ny miaramila tamin'ny hazo fijaliana izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany, 24ka nifampilaza hoe izy ireo: Aoka tsy hotriarintsika izy, fa aoka hilokantsika, dia ho lasan'izay hahazo ny loka. Koa tanteraka tamin'izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon'ny miaramila.
25Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena. 26Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. 27Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy. 28Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: Mangetaheta aho. 29Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin'ny hazo hisopy, dia natohoka teo am-bavany. 30Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe: Tanteraka ny zavatra rehetra. Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
31Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). 32Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; 33fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. 34Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. 35Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. 36Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza. 37Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: Hijery izay nolefoniny izy.
38Rahefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia, izay mpianatr'i Jesoa an-tsokosoko noho ny fahatahorany ny Jody dia nangataka tamin'i Pilaty mba haka ny fatin'i Jesoa, ka neken'i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin'i Jesoa. 39Ary tonga koa Nikodema ilay nanatona an'i Jesoa nony alina tamin'ny voalohany nitondra mira sy aloesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra. 40Koa nalainy ny fatin'i Jesoa, dia nasiany zava-manitra sy nofonosiny lamba araka ny fanaon'ny Jody amin'ny fandevenana. 41Nisy saha anankiray kosa tao amin'ilay toerana namantsihana an'i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin'ilay saha. 42Ka noho ny maha-andro fiomanan'ny Jody tamin'izay dia tao no nandevenany an'i Jesoa, satria akaiky ny fasana. >