Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 2
Ny nanovàn'i Jesoa ny rano ho divay - Ny nandroahan'i Jesoa ny mpivarotra tao an-tempoly.

       1Nony afaka hateloana dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny renin'i Jesoa. 2Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin'ny fampakaram-bady. 3Nony inona, lany ny divay ka hoy renin'i Jesoa taminy: Tsy manan-divay izy ireo. 4Ary hoy Jesoa taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin'izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako. 5Dia hoy reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay rehetra holazainy aminareo. 6Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon'ny Jody, nahalany rano indroa na intelon'ny famarana avy, 7ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Fenoy rano ireo siny ireo. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8Ary hoy Jesoa taminy: Tovozy amin'izao, ka ento amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny. 9Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny nihaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra 10ka nanao taminy hoe: Ny an'ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rahefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.
       11Izany nataon'i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony; naneho ny voninahiny izy ka nino azy ny mpianany. 12Ary rahefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaoma izy sy ny reniny mbamin'ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.
       13Ary akaiky ny Pakan'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa. 14Hitany tao anatin'ny tempoly ny mpivarotra omby aman'ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola nipetraka tao, 15ka nanao kotopia tamin'ny tady madinika izy, dia nandroaka azy rehetra mbamin'ny omby aman'ondry hiala amin'ny tempoly; nararany ny volan'ny mpanakalo vola, nazerany ny latabatra, 16ary hoy izy tamin'izay nivaro-boromailala: Esory eto ireo, fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon'ny Raiko. 17Dia tsaroan'ny mpianany fa efa voasoratra hoe: Ny fitiavako ny tranonao no maharitra ny aiko. 18Fa niteny kosa ny Jody ka nanao hoe: Inona no famantarana asehonao aminay no manao toy izao hianao? 19Dia namaly azy Jesoa nanao hoe: Ravao ity tempoly ity, fa hatsangako indray amin'ny hateloana. 20Ka hoy ny Jody: Enina amby efa-polo taona no nanaovana ity tempoly ity, ka hianao ve dia hanangana azy indray amin'ny hateloana e? 21Ny vatany anefa no tempoly nolazainy. 22Ary nony tafatsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa voalazany izany, ka nino ny Soratra Masina sy ny teny voalazan'i Jesoa izy ireo.
       23Raha mbola tany Jerosalema izy tamin'ny fetin'ny Paka, dia maro no nino ny anarany, fa nahita ny fahagagana nataony; 24nefa tsy natoky azy ireo Jesoa, satria nahalala azy rehetra izy, 25sady tsy mba nila olona hilaza aminy ny amin'ny olona izy, fa ny tenany ihany dia nahalala izay ao am-pon'ny olona. >