Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-20

1 Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato.

2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. 3 Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, 4 ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. 5 Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6 Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, 7 sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terý. 8 Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9 Fa tsy mbola fantatr'izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesoa. 10 Dia lasa ny mpianatra nody tany aminy. 11 Fa Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary teo am-pitomaniana, dia niondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy,

12 ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin'izay nipetrahan'ny vatan'i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra. 13 Dia hoy izy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Ka hoy izy namaly ireo: Satria nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany azy. 14 Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an'i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe Jesoa io. 15 Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, nahoana no mitomany hianao? Iza no tadiavinao? Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: Raha hianao re no naka azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao azy, hangalako azy. 16 Dia hoy Jesoa taminy: Ry Maria! Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: Rabony! (izany hoe Mpampianatra). 17 Aza mikasika ahy, hoy Jesoa taminy, fa mbola tsy niakatra tany amin'ny ray aho, fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny rainareo aho, ary any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 18 Dia lasa Maria Madelena ka nilaza tamin'ny mpianatra hoe: Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko. 19 Androtr'izay ihany, izany hoe harivan'ilay andro voalohan'ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran'ny trano nivorian'ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana!

20 Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny tànany sy ny lanivoany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. 21 Dia hoy indray izy tamin'izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. 22 Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin'izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: 23 ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana. 24 Fa Tomà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin'izy ireo tamin'ny nahatongavan'i Jesoa.

25 Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy izy tamin'ireo: Raha tsy hitako ao amin'ny tànany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tànako, ary atehiko amin'ny lanivoany ny tànako, dia tsy hino aho. 26 Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa Tomà, dia tonga Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany izy ka nanao hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! 27 Ary hoy izy tamin'i Tomà: Ataovy eto ny rantsan-tànanao, ka zahao ny tànako, ary arosoy ny tànanao, ka atehefo eto amin'ny lanivoako; dia minoa, fa aza malain-kino. 28 Dia namaly Tomà ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy Jesoa taminy: Nino hianao, ry Tomà, satria nahita ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino. 30 Maro koa ny fahagagana hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany no tsy voasoratra amin'ity boky ity.

31 Fa voasoratra ireto mba hinoanareo fa Jesoa no Kristy Zanak'Andriamanitra, ary mba hahazoanareo ny fiainana amin'ny anarany, amin'ny finoana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785