Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 20, 19-23

       <19Androtr'izay ihany, izany hoe harivan'ilay andro voalohan'ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran'ny trano nivorian'ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin'izy ireo hoe: Ho aminareo anie ny fiadanana! 20Nony efa nilaza izany izy, dia nasehony azy ireo ny t├ánany sy ny lanivoany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. 21Dia hoy indray izy tamin'izy ireo: Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Raiko ahy no anirahako anareo koa. 22Rahefa nilaza izany izy, dia nitsoka ka nanao tamin'izy ireo hoe: Raiso ny Fanahy Masina: 23ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana. >