Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 20, 1-9,
Madelena, sy Piera ary Joany teo amin'ny fasana - Ny nisehoan'i Jesoa tamin'i Madelena sy tamin'ny Apostoly.

       1Ary tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia lasa marainakoa mbola maizina nankany amin'ny fasana Madelena, ka nahita fa voaesotra tamin'ny fasana ny vato. 2Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. 3Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, 4ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. 5Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, 7sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terĂ½. 8Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9Fa tsy mbola fantatr'izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesoa. >