Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 21
Ny nisehoan'i Jesoa teo amin'ny ranomasin'i Tiberiady.

       1Taorian'izany, dia niseho tamin'ny mpianany teo amoron-dranomasin'i Tiberiady indray Jesoa, ary toy izao no nisehoany. 2Tafaraka Simona Piera sy Tomà izay atao hoe Didimo, ary Natanaely izay avy tany Kanàn'i Galilea, mbamin'ireo zanak'i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3Fa hoy Simona Piera tamin'izy ireo: Handeha hanarato aho. Fa hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin'iny alina iny. 4Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe Jesoa izy. 5Ka hoy Jesoa tamin'izy ireo: Manan-kanina va hianareo, anaka? Dia hoy ny navaliny azy: Tsia. 6Alatsaho ao an-kavanan'ny sambo kely àry ny haratonareo, hoy izy tamin'izy ireo, fa hahazo hianareo. Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny hazandrano. 7Ary hoy ilay mpianatra malalan'i Jesoa tamin'i Piera: Ny Tompo io. Nony ren'i Simona Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin'ny ranomasina izy. 8Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.
       9Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo. 10Ary hoy Jesoa taminy: Itondray ny hazandrano vao azonareo. 11Dia niakatra Simona Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimam-polo amby zato; nefa tsy triatra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. 12Dia hoy Jesoa tamin'izy ireo: Avia hisakafo. Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany azy hoe: Iza moa hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13Dia nanatona Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. 14Izay no fanintelony nisehoan'i Jesoa tamin'ny mpianany, rahefa nitsangana tamin'ny maty izy.
       15Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy Jesoa tamin'i Simona Piera: Ry Simona zanak'i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 16Ary hoy indray izy taminy fanindroany: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 17Ary hoy indray izy taminy fanintelony: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Dia nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: fahano àry ny reniondriko.
       18Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora hianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa hianao, dia hiraviravy ny tànanao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin'izay tsy tianao. 19Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany izy, dia nanao taminy hoe: Manaraha ahy. 20Nony nitodika Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan'i Jesoa izay niankina tamin'ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika anao? 21Ary nony nahita azy Piera dia hoy izy tamin'i Jesoa: Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran'ity? 22Dia hoy Jesoa taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha ahy hianao. 23Dia niely tamin'ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, mampaninona anao izany?
       24Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. 25Maro koa ny zavatra hafa nataon'i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana. >