Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-21

15 Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy Jesoa tamin'i Simona Piera: Ry Simona zanak'i Joany, moa tia ahy mihoatra noho ireto va hianao? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko.

16 Ary hoy indray izy taminy fanindroany: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Ka hoy ny navaliny azy: Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: Fahano ny zanak'ondriko. 17 Ary hoy indray izy taminy fanintelony: Ry Simona zanak'i Joany, moa tianao va aho? Dia nalahelo Piera fa nontaniany fanintelony hoe: Moa tia ahy va hianao? ka hoy izy taminy: Hianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako hianao. Dia hoy izy taminy: fahano àry ny reniondriko. 18 Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora hianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa hianao, dia hiraviravy ny tànanao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin'izay tsy tianao.

19 Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan'i Piera voninahitra an'Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany izy, dia nanao taminy hoe: Manaraha ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0441