Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 3
Ny resak'i Jesoa tamin'i Nikodema - Joany manambara an'i Jesoa indray.

       1Nisy Farisiana anankiray atao hoe Nikodema, isan'ny lehibe tamin'ny Jody. 2Nankao amin'i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe : Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin' Andriamanitra hianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy. 3Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. 4Ary hoy Nikodema taminy : Ataon'ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy ? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray ? 5Fa hoy Jesoa: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 6Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. 7Aza gaga hianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. 8Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
       9Dia namaly Nikodema ka nanao taminy hoe: Atao ahoana no hahatonga izany? 10Ary hoy Jesoa taminy: Mpampianatra amin'Israely hianao ka tsy mahalala izany va? 11Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. 12Raha tsy mino ahy hianareo amin'ny filazako ny zavatra ety an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? 13Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak'olona izay any an-danitra. 14Tahaka ny nanandratan'i Moizy ny bibilava tany an'efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona koa, 15mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. 16Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
       17Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. 18Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana. 19Ary izao no fitsarana: tonga amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny aizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; 21fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin'Andriamanitra.
       22Taorian'izany, dia nankany amin'ny tany Jodea Jesoa sy ny mpianany, ary niara-nitoetra tamin'izy ireo tany, sady nanao batemy ny olona. 23Joany koa nanao batemy tany Enòna akaikin'i Salima, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy; 24fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Joany. 25Ary nifanditra tamin'ny Jody anankiray any amin'ny fanadiovana ny mpianatr'i Joany, 26ka nankany amin'i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: Raby, ilay teny aminao, teny an-dafin'ny Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra. 27Dia namaly Joany ka nanao hoe: Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28Ary hianareo ihany no vavolombelon'ny nilazako hoe: Tsy Kristy aho, fa nirahina hialoha azy. 29Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon'ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. 30Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
       31Izay avy any ambony no ambonin'ny olona rehetra; fa izay avy amin'ny tany dia tany, ka ny ety an-tany ihany no lazainy. Izay avy any an-danitra no ambonin'ny olona rehetra; 32ary izay efa hitany sy reny no ambarany, nefa tsy misy mandray ny fanambarany. 33Izay nandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. 34Satria izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny tenin'Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen'Andriamanitra ny Fanahy. 35Ny Ray tia ny Zanaka, ka napetrany eo am-pelatànany ny zavatra rehetra. 36Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran'ny hatezeran'Andriamanitra. >