Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 4, 5-42,
<5ka tonga tany amin'ny tanànan'i Samaria anankiray atao hoe Sikara, akaikin'ny saha nomen'i Jakoba an'i Josefa zanany;
6teo no nisy ny fantsakan'i Jakoba. Ary sasatry ny dia nalehany Jesoa ka nipetraka tsotra izao teo amoron'ny fantsakana, tokony ho tamin'ny ora fahenina.
7Dia inty nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy Jesoa taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko, 8fa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany. 9Dia hoy ilay vehivavy Samaritana taminy: Nahoana hianao no Jody ka no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa tsy mifankahay moa ny Jody sy ny Samaritana). 10Namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao mantsy ny fanomezan'Andriamanitra sy izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely aho hosotroiko, dia hianao indray aza no ho nangataka taminy, ka homeny rano velona. 11Hoy ravehivavy taminy: hianao, Tompoko, tsy manan-kanovozana, ary ny fantsakana lalina; ka aiza ange no hahazoanao izany rano velona izany? 12Hianao angaha lehibe noho i Jakoba razantsika, izay nahazoanay ity fantsakana ity sy nisotro teto na ny tenany, na ny zanany mbamin'ny bibiny? 13Dia hoy Jesoa namaly azy: Izay rehetra misotro amin'ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay, 14satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin'ny fiainana mandrakizay. 15Ka hoy ravehivavy taminy: Omeo amin'izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa.
16Fa hoy Jesoa taminy: Mandehana miantsoa ny vadinao, ka mankanesa atý. 17Tsy manam-bady aho, hoy ravehivavy. Dia hoy Jesoa taminy: Marina ny filazanao hoe: tsy manam-bady aho; 18fa efa nanam-bady indimy hianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny, ka marina ny voalazanao. 19Dia hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa Mpaminany hianao. 20Ny razanay nivavaka teo amin'io tendrombohitra io, ary hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy hivavahana. 21Ary hoy Jesoa taminy: Ravehivavy, minoa ahy, fa tonga ny andro, ka tsy amin'io tendrombohitra io na any Jerosalema aza no hivavahanareo amin'ny Ray. 22Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo, fa izahay no mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jody ny famonjena. 23Fa ho avy ny andro, ary efa tonga sahady aza, izay hivavahan'ny mpivavaka marina amin'ny Ray amin'ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin'ny Ray. 24Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy fahamarinana. 25Dia namaly ravehivavy ka nanao taminy hoe: Fantatro fa avy ny Mesia (izay atao hoe Kristy); ka rahefa tonga izy, dia hanambara amintsika ny zavatra rehetra. 26Hoy Jesoa taminy: Izaho izay miresaka aminao izao no izy.
27Tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Ahoana no iresahanao aminy? 28Ravehivavy kosa tamin'izay dia nandao ny sininy ka lasa nankany an-tanàna nilaza tamin'ny olona hoe: 29Andeha hianareo hizaha izao Lehilahy izao, fa nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra; ka izao angaha no Kristy? 30Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona hanatona an'i Jesoa. 31Mbola tsy tonga ny olona dia nanasa azy ny mpianany nanao hoe: Hano, Raby ô. 32Fa hoy izy taminy: Izaho manan-kanin-kohanina izay tsy fantatrareo. 33Dia nifampilaza hoe ny mpianany: Nisy olona nanati-javatra hohaniny angaha? 34Fa hoy Jesoa tamin'izy ireo: Ny haniko dia ny manao ny sitra-pon'izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany. 35Moa tsy lazainareo fa mbola efa-bolana sisa ny taom-pijinjana? Kanefa lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka tazano ny eny an-tsaha, fa efa manopy mena sahady ny vary ka efa ho fijinja. 36Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an'ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37Fa amin'ity marina ilay ohabolana hoe: Hafa no mamafy, hafa no mijinja. 38Nirahiko hijinja amin'izay tsy nasainareo hianareo, fa olon-kafa no niasa, ka hianareo no nanohy ny asany.
39Maro ny Samaritana tamin'izany tanàna izany no nino azy, noho ny tenin-dravehivavy nanao hoe: Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra. 40Fa nony tonga teo aminy ny Samaritana, dia nangataka azy hitoetra tao aminy, ary nitoetra tao indroa andro izy. 41Ka vao mainka maro aza no nino azy noho ny teny nataony, 42sy nanao tamin-dravehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao intsony no inoanay fa ny tenanay izao no nandre, ka fantatray fa izy tokoa no Mpamonjy ny olona. >