Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 5
Ilay malemy tao Betesdà - Tafintohina ny Jody - Ny nanoheran'i Jesoa ny Jody - Ny itoviany sy iarahany miasa amin'ny Rainy - Ny asa ataony no manambara azy.
1Taorian'izany, nisy andro fety tamin'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa. 2Ary any Jerosalema ao akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. 3Nisy marary maro nandry tamin'ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan'ny rano. 4Fa nidina tao anatin'ny dobo ny anjelin'Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin'ny dobo rahefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny. 5Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin'ny valo amby telo-polo taona teo. 6Nony nahita azy nivalandòtra teo Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy izy taminy: Te-ho sitrana ve hianao? 7Ary hoy ny navalin'ny marary: Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin'ny dobo rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafidina alohako. 8Hoy Jesoa taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana. 9Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin'izay.
10Koa hoy ny Jody tamin'ny vao sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao hianao. 11Fa hoy ny navaliny azy: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana. 12Dia hoy ireo nanontany azy: Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany? 13Tsy nahalala azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, Jesoa koa niala teo. 14Taorian'izany dia hitan'i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy izy taminy: Indro efa sitrana hianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no manjò anao. 15Dia lasa ralehilahy nilaza tamin'ny Jody fa Jesoa no nahasitrana azy. 16Koa nanenjika an'i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin'ny andro sabata izy. 17Fa hoy Jesoa taminy: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa miasa. 18Izay indray vao mainka nitady hamono azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra.
Dia notohizan'i Jesoa indray ny teniny, ka hoy izy tamin'izy ireo: 19Lazaiko marina dia marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; ary izay rehetra ataon'ny Ray dia ataon'ny Zanaka koa. 20Fa tia ny Zanaka ny Ray, maneho aminy izay rehetra ataon'ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza izy, mba ho gaga hianareo. 21Fa toy ny ananganan'ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman'ny Zanaka izay tiany koa. 22Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, 23mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka azy.
24Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. 25Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady ary efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. 26Fa toy ny ananan'ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. 27Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak'olona. 28Aza gaga amin'izany, fa avy ny andro handrenesan'izay rehetra any am-pasana ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, 29dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin'ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin'ny fitsanganam-pahamelohana. 30Raha izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko aho, fa ny sitra-pon' izay naniraka ahy.
31Raha izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambarako; 32fa misy hafa izay manambara ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarany ahy. 33Naniraka tany amin'i Joany hianareo, ary nanambara ny marina izy. 34Tsy dia ny fanambarana avy amin'olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. 35Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany. 36Fa manana fanambarana manoatra ny an'i Joany aho, satria ny asa nomen'ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray aho. 37Ary ny Ray izay naniraka ahy dia izy indrindra no nanambara ahy. Hianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, 38sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho hianareo tsy mino ilay nirahiny.
39Mandinika ny Soratra Masina hianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara ahy; 40nefa tsy mety manatona ahy hianareo mba hanananareo ny fiainana. 41Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin'olombelona; 42fa fantatro hianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo. 43Avy aho amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. 44Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin'Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! 45Aza ataonareo fa izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia Moizy, izay itokianareo. 46Fa raha mba nino an'i Moizy hianareo, dia hino ahy koa; satria nanoratra nanambara ahy izy. 47Ary raha tsy mino izay nosoratany koa hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? >