Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 5, 1-16,
Ilay malemy tao Betesdà - Tafintohina ny Jody - Ny nanoheran'i Jesoa ny Jody - Ny itoviany sy iarahany miasa amin'ny Rainy - Ny asa ataony no manambara azy.
1Taorian'izany, nisy andro fety tamin'ny Jody, ka niakatra tany Jerosalema Jesoa. 2Ary any Jerosalema ao akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. 3Nisy marary maro nandry tamin'ireo trano ireo, dia ny jamba, ny mandringa, ny malemy, izay niandry ny fihetsiketsehan'ny rano. 4Fa nidina tao anatin'ny dobo ny anjelin'Andriamanitra indraindray nampihetsiketsika ny rano, ka izay niroboka voalohany ao anatin'ny dobo rahefa nihetsiketsika ny rano, dia sitrana, na inona na inona aretiny. 5Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin'ny valo amby telo-polo taona teo. 6Nony nahita azy nivalandòtra teo Jesoa, sady fantany fa ela no naharariany, dia hoy izy taminy: Te-ho sitrana ve hianao? 7Ary hoy ny navalin'ny marary: Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin'ny dobo rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa no tafidina alohako. 8Hoy Jesoa taminy: Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana. 9Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin'izay.
10Koa hoy ny Jody tamin'ny vao sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao hianao. 11Fa hoy ny navaliny azy: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana. 12Dia hoy ireo nanontany azy: Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany? 13Tsy nahalala azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, Jesoa koa niala teo. 14Taorian'izany dia hitan'i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy izy taminy: Indro efa sitrana hianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray no manjò anao. 15Dia lasa ralehilahy nilaza tamin'ny Jody fa Jesoa no nahasitrana azy. 16Koa nanenjika an'i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin'ny andro sabata izy. >