Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 5, 17-30,
<17Fa hoy Jesoa taminy: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa miasa. 18Izay indray vao mainka nitady hamono azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata izy no nilaza fa rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra.
Dia notohizan'i Jesoa indray ny teniny, ka hoy izy tamin'izy ireo: 19Lazaiko marina dia marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon'ny Ray; ary izay rehetra ataon'ny Ray dia ataon'ny Zanaka koa. 20Fa tia ny Zanaka ny Ray, maneho aminy izay rehetra ataon'ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza izy, mba ho gaga hianareo. 21Fa toy ny ananganan'ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman'ny Zanaka izay tiany koa. 22Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, 23mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka azy.
       24Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. 25Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady ary efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. 26Fa toy ny ananan'ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. 27Ary nomeny fahefana hitsara izy, satria Zanak'olona. 28Aza gaga amin'izany, fa avy ny andro handrenesan'izay rehetra any am-pasana ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, 29dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin'ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin'ny fitsanganam-pahamelohana. 30Raha izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko aho, fa ny sitra-pon' izay naniraka ahy. >