Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany
Joany toko 5, 31-47,
<31Raha izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambarako; 32fa misy hafa izay manambara ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarany ahy. 33Naniraka tany amin'i Joany hianareo, ary nanambara ny marina izy. 34Tsy dia ny fanambarana avy amin'olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. 35Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany. 36Fa manana fanambarana manoatra ny an'i Joany aho, satria ny asa nomen'ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray aho. 37Ary ny Ray izay naniraka ahy dia izy indrindra no nanambara ahy. Hianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, 38sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho hianareo tsy mino ilay nirahiny.
39Mandinika ny Soratra Masina hianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara ahy; 40nefa tsy mety manatona ahy hianareo mba hanananareo ny fiainana. 41Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin'olombelona; 42fa fantatro hianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao aminareo. 43Avy aho amin'ny anaran'ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin'ny anaran'ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. 44Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy hianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin'Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! 45Aza ataonareo fa izaho no hiampanga anareo amin'ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia Moizy, izay itokianareo. 46Fa raha mba nino an'i Moizy hianareo, dia hino ahy koa; satria nanoratra nanambara ahy izy. 47Ary raha tsy mino izay nosoratany koa hianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko? >