Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 7, 1-2,10,25-30,
Ny niakaran'i Jesoa tao Jerosalema tamin'ny fetin'ny Tranolay - Ny nampianarany tao an-tempoly - Ny nitadiavan'ny loholona hisambotra azy - Ny tsy fifanarahan'ny olona hevitra ny aminy.

       1Taorian'izany dia nitety an'i Galilea Jesoa fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty azy ny Jody. 2Nony efa akaiky ny fetin'ny Jody atao hoe fetin'ny Tranolay, 10Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina.
       25Tamin'izay dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: Moa tsy izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina? 26Ary nahoana no miteny ampahibemaso izy io, ka no tsy misy sahy miteny azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no Kristy? 27Ny nihavian'izy io anefa fantatsika; fa ny hihavian'ny Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga izy. 28Dia niantso àry Jesoa tao am-pampianarana tao amin'ny tempoly ka nanao hoe: Fantatrareo aho, ary fantatrareo koa izay nihaviako. Nefa tsy tonga ho ahy aho, fa marina ilay naniraka ahy, fa tsy fantatrareo. 29Izaho no mahalala azy, satria izy no nihaviako, ary izy no naniraka ahy. 30Tamin'izay dia nitady hisambotra azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany. >