Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 8
Ilay vehivavy azo nijangajanga - Jesoa milaza ny tenany ho fahazavan'izao tontolo izao - Ho faty amin'ny fahotany ny Farisiana - Izay tena zanak'i Abrahama - Izay tena zanak'Andriamanitra - Jesoa milaza ny tenany ho Zanak'Andriamanitra.

       1Jesoa kosa nankany an-tendrombohitra Oliva, 2fa nony marainakoa vao niverina tany an-tempoly izy, ka nanatona azy ny vahoaka rehetra, dia nipetraka nampianatra azy ireo izy.
       3Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga nentin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana, ka narosony teo afovoany. 4Dia hoy izy tamin'i Jesoa: Ry Mpampianatra, azo nijangajanga ity vehivavy ity. 5Ary Moizy ao amin'ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? 6Izy no nanao izany dia ny hakany fanahy azy, mba hisy hiampangany azy. Fa Jesoa kosa niondrika dia nanoratra tamin'ny rantsan-tànany teo amin'ny tany. 7Ry zareo amin'izany tsy nitsahatra, fa mbola nanontany azy ihany, ka nitraka izy dia nanao taminy hoe: Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. 8Dia niondrika indray izy ka nanoratra teo amin'ny tany. 9Fa ry zareo kosa nony nandre izany, dia nihatakataka tsirairay, ny zokinjokiny no loha làlana, ka Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo afovoany. 10Izay vao nitraka Jesoa, ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, aiza ry zareo niampanga anao teo? Moa tsy nisy nanameloka anao va? 11Tsy nisy, Tompoko, hoy izy. Izaho koa tsy hanameloka anao, hoy Jesoa. Mandehana, ka aza manota intsony.
       12Ary niteny tamin'ny olona indray Jesoa, ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao: izay manaraka ahy tsy mandeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'ny fiainana. 13Dia hoy ny Farisiana taminy: Manambara tena hianao, ka tsy marina ny fanambaranao. 14Fa namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Na dia manambara tena aza aho, dia marina ny fanambarako, satria fantatro izay nihaviako sy izay alehako, ary hianareo tsy mahalala izay ihaviako na izay alehako. 15Hianareo mitsara araka ny nofo, fa izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. 16Ary raha mitsara aho, dia marina ny fitsarako, satria tsy izaho irery, fa izaho sy ny Ray izay naniraka ahy; 17ka araka ny voasoratra eo amin'ny Lalànareo, dia marina ny fanambaran'ny olona roa. 18Ary izaho sady manambara ny tenako no ambaran'ny Ray izay naniraka ahy koa. 19Dia hoy ry zareo taminy: Aiza ny Rainao? Fa Jesoa namaly hoe: Samy tsy fantatrareo na izaho na ny Raiko; fa raha mahalala ahy hianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa. 20Teo amin'ny fandatsahan-drakitra no nilazan'i Jesoa an'izany, raha nampianatra tao amin'ny tempoly izy; nefa tsy nisy nisambotra azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
       21Hoy indray Jesoa tamin'izy ireo: Handeha aho ka hitady ahy hianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha. 22Dia hoy ny Jody: Hamono tena angaha izy no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha? 23Fa hoy izy tamin'izy ireo? Hianareo avy ety an-tany, izaho avy any an-danitra; hianareo olon'izao tontolo izao; izaho tsy mba olon'izao tontolo izao. 24Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo hianareo; satria raha tsy mino hianareo fa izaho no izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo. 25Dia hoy ry zareo taminy: Iza moa hianao? ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: izay lazaiko aminareo indrindra. 26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo aho; fa marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao. 27Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. 28Ka hoy Jesoa taminy: Rahefa voasandratrareo ny Zanak'olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy, sady tsy manao na inona na inona ho ahy aho, fa izay nampianarin'ny Ray ahy no lazaiko. 29Ary izay naniraka ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery aho, satria manao izay tiany mandrakariva.
       30Tamin'izy niteny izany, dia maro no nino azy. 31Koa hoy Jesoa tamin'ireo Jody nino azy: Raha mahatana ny teniko hianareo dia ho mpianatro tokoa, 32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo. 33Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Taranak'i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka hianareo? 34Fa hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon'ny ota. 35Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva. 36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo. 37Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono ahy hianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. 38Izaho milaza izay hitako eo amin'ny Raiko, ary hianareo kosa manao izay renareo ao amin'ny rainareo. 39Namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Fa hoy Jesoa taminy: Raha zanak'i Abrahama hianareo, dia hanao ny asan'i Abrahama. 40Nefa mitady hamono ahy hianareo ankehitriny, dia izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin'Andriamanitra: tsy asan'i Abrahama izany. 41Ny asan'ny rainareo no ataonareo!
Dia hoy ireo taminy: Tsy mba teraka tamin'ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra. 42Fa hoy kosa Jesoa tamin'izy ireo: Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia ahy hianareo, satria Andriamanitra no nihaviako, ary izy no nahatongavako aty; fa tsy tonga ho ahy aho, fa izy no naniraka ahy. 43Ahoana àry no tsy fantatrareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko hianareo. 44Ny demony no ray nihavianareo, ka izay tian'ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany sy tsy naharitra tamin'ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain'ny lainga izy; 45fa izaho kosa satria milaza ny marina aho, dia tsy mino ahy hianareo. 46Iza moa aminareo no mahazo milaza marina fa nanota aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana no tsy mino ahy hianareo? 47Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra, ka izany indrindra no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra hianareo.
       48Dia namaly ny Jody ka nanao taminy hoe: Moa tsy marina ny filazanay fa Samaritana hianao sady manana demony? 49Ary hoy ny navalin'i Jesoa: Tsy manana demony aho, fa izaho manome voninahitra ny Raiko, ary hianareo kosa tsy manaja ahy. 50Izaho tsy mitady voninahitra ho ahy, fa ao ny mitady izany sy hitsara. 51Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy. 52Dia hoy ny Jody: Fantatray amin'izao fa manana demony hianao; Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa hianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. 53Angaha hianao lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao anao ho iza re hianao e? 54Dia hoy Jesoa: Raha manome voninahi-tena aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra ahy. 55Tsy fantatrareo anefa izy; fa izaho no mahalala azy, ary raha milaza ho tsy mahalala azy aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro izy, ary mitandrina ny teniny aho. 56Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an'i Abrahama? 58Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho. 59Tamin'izay naka vato izy ireo hitorahana azy; fa niery Jesoa ka nivoaka ny tempoly. >