Toko faha-8                    
                
                
                    
                        51                    
                    Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy.
                                                                            
                
                
                    
                        52                    
                    Dia hoy ny Jody: Fantatray amin'izao fa manana demony hianao; Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa hianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy.
                                                                            
                
                
                    
                        53                    
                    Angaha hianao lehibe noho Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao anao ho iza re hianao e?
                                                                            
                
                
                    
                        54                    
                    Dia hoy Jesoa: Raha manome voninahi-tena aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra ahy.
                                                                            
                
                
                    
                        55                    
                    Tsy fantatrareo anefa izy; fa izaho no mahalala azy, ary raha milaza ho tsy mahalala azy aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro izy, ary mitandrina ny teniny aho.
                                                                            
                
                
                    
                        56                    
                    Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
                                                                            
                
                
                    
                        57                    
                    Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an'i Abrahama?
                                                                            
                
                
                    
                        58                    
                    Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Jesoa taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho.
                                                                            
                
                
                    
                        59                    
                    Tamin'izay naka vato izy ireo hitorahana azy; fa niery Jesoa ka nivoaka ny tempoly.