Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 8, 21-30,

       <21Hoy indray Jesoa tamin'izy ireo: Handeha aho ka hitady ahy hianareo, ary ho faty amin'ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha. 22Dia hoy ny Jody: Hamono tena angaha izy no manao hoe: Izay alehako tsy azonareo aleha? 23Fa hoy izy tamin'izy ireo? Hianareo avy ety an-tany, izaho avy any an-danitra; hianareo olon'izao tontolo izao; izaho tsy mba olon'izao tontolo izao. 24Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin'ny fahotanareo hianareo; satria raha tsy mino hianareo fa izaho no izy, dia ho faty amin'ny fahotanareo hianareo. 25Dia hoy ry zareo taminy: Iza moa hianao? ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: izay lazaiko aminareo indrindra. 26Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo aho; fa marina ilay naniraka ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao. 27Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. 28Ka hoy Jesoa taminy: Rahefa voasandratrareo ny Zanak'olona vao ho fantatrareo fa izaho no izy, sady tsy manao na inona na inona ho ahy aho, fa izay nampianarin'ny Ray ahy no lazaiko. 29Ary izay naniraka ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery aho, satria manao izay tiany mandrakariva.
       30Tamin'izy niteny izany, dia maro no nino azy. >