Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 8, 31-42,
<31Koa hoy Jesoa tamin'ireo Jody nino azy: Raha mahatana ny teniko hianareo dia ho mpianatro tokoa, 32sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo. 33Dia hoy ny navalin'izy ireo azy: Taranak'i Abrahama izahay, ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka hianareo? 34Fa hoy Jesoa taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia andevon'ny ota. 35Ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva. 36Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo. 37Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama hianareo, nefa mitady hamono ahy hianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. 38Izaho milaza izay hitako eo amin'ny Raiko, ary hianareo kosa manao izay renareo ao amin'ny rainareo. 39Namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Fa hoy Jesoa taminy: Raha zanak'i Abrahama hianareo, dia hanao ny asan'i Abrahama. 40Nefa mitady hamono ahy hianareo ankehitriny, dia izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin'Andriamanitra: tsy asan'i Abrahama izany. 41Ny asan'ny rainareo no ataonareo!
Dia hoy ireo taminy: Tsy mba teraka tamin'ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra. 42Fa hoy kosa Jesoa tamin'izy ireo: Raha Andriamanitra no rainareo, dia ho tia ahy hianareo, satria Andriamanitra no nihaviako, ary izy no nahatongavako aty; fa tsy tonga ho ahy aho, fa izy no naniraka ahy. >