Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Evanjely Masin'i Jesoa-kristy Nosoratan'i Md. Joany

Joany toko 9
Ny nampahiratan'i Jesoa an'ilay teraka jamba.

       1Ary nony nandalo Jesoa, dia nahita lehilahy anankiray izay teraka jamba, 2ka hoy ny mpianany nanontany azy: Raby, iza moa no nanota, io lehilahy io sa ny rainy aman-dreniny, no teraka jamba izy? 3Jesoa namaly hoe: Tsy izy no nanota, na ny rainy aman-dreniny, fa mba hisehoan'ny asan'Andriamanitra eo aminy no antony. 4Tsy maintsy manao ny asan'Izay naniraka ahy aho raha mbola antoandro: fa ho avy ny alina izay tsy azon'olona na iza na iza iasana. 5Raha mbola amin'izao tontolo izao aho, dia fahazavan'izao tontolo izao. 6Nony avy nilaza izany izy, dia nandrora tamin'ny tany ka nanao feta tamin'ny rorany, nahosony ny mason'ilay jamba, 7dia hoy izy taminy: Mandehana manasa ny masonao any amin'ny farihin'i Siloa (izany hoe, Iraka). Dia nandeha nanasa izy ka niverina nahiratra. 8Tamin'izay ny olona mifanakaiky trano taminy, sy izay nahita azy nangataka teo aloha nanao hoe: Moa tsy ity ilay nipetraka nangataka? Dia hoy ny sasany: Izy io. 9Fa hoy kosa ny sasany: Tsia, fa olo-mitovy aminy. Ary hoy kosa izy: Izaho no izy. 10Ka nanao ahoana, hoy ireo taminy, no nahiratan'ny masonao? 11Dia hoy izy: Ilay lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta, nahosony ny masoko, dia nanao tamiko hoe: Mandehana manasa ny masonao any amin'ny farihin'i Siloe, dia lasa aho nanasa, ka nahiratra. 12Ary hoy izy ireo taminy: Aiza izany Lehilahy izany? Asa, hoy izy.
       13Dia nentiny tany amin'ny Farisiana ilay jamba taloha, 14fa andro sabata no nanaovan'i Jesoa feta sy nampahiratany ny masony. 15Nanontany azy indray àry ny Farisiana izay nahiratany, ka hoy ny navaliny azy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho. 16Tamin'izany ny sasany tamin'ny Farisiana nanao hoe: Tsy Andriamanitra no nihavian'izany Lehilahy izany, fa tsy mitandrina ny sabata izy. Fa ny sasany kosa nanao hoe: Hataon'ny mpanota ahoana no fahavita fahagagana toy izany? Koa nisara-kevitra izy ireo. 17Dia hoy indray izy ireo tamin'ilay jamba: Mba ahoana kosa no filazanao azy, fa nampahiratra ny masonao izy? Ka hoy ralehilahy: Mpaminany izy. 18Dia tsy nety nino ny Jody fa jamba sy vao nahiratra izy, ka nampiantsoiny aloha ny ray aman-drenin'ity nahiratra, 19sy nanontaniany hoe: Ity va no zanakareo izay lazainareo hoe teraka jamba? Ka nanao ahoana àry no nahiratany izao? 20Dia namaly ny ray aman-dreniny ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba; 21fa tsy fantatray izay nahiratany izao, ary tsy fantatray koa izay nampahiratra ny masony, ka izy no anontanio fa efa lehibe izy: izy ihany no aoka hilaza ny momba ny tenany. 22Ny ray aman-dreniny no nilaza izany, dia noho izy natahotra ny Jody, satria efa nifanaiky ny Jody fa horoahina amin'ny sinagoga izay hanaiky an'i Jesoa ho Kristy, 23ka izany no nanaovan'ny ray aman-dreniny hoe: izy no anontanio fa efa lehibe izy.
       24Dia nantsoin'ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe: Andriamanitra no omeo voninahitra; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota. 25Ka hoy ny navaliny azy: Tsy fantatro na mpanota izy na tsia, fa izao ihany no fantatro: jamba aho taloha ary mahiratra aho ankehitriny. 26Dia hoy izy ireo taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana sy ahoana avy no nampahiratany ny masonao? 27Ka hoy ny navaliny azy ireo: Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo akory; ka ahoana indray no itiavanareo handre? Te-ho tonga mpianany koa va hianareo? 28Dia notevatevain'ireo izy sy nataony hoe: Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr'i Moizy. 29Moizy fantatray fa nitenenan'Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay nihaviany. 30Namaly ralehilahy ka nanao hoe: Ity indray no mahagaga, fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa izy no nampahiratra ny masoko. 31Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay manompo azy sy manao ny sitra-pony no henoiny. 32Na oviana na oviana tsy mbola nisy olona re fa nampahiratra ny teraka jamba; 33ka raha tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona akory. 34Dia namaly ry zareo, ka nanao taminy hoe: Izay ialahy tena teraka tanatin'ny ota indray ve no mampianatra anay! Sady noroahiny izy.
       35Ren'i Jesoa fa hoe noroahin-dry zareo izy, ka nony hitany dia nilazany hoe: Mino ny Zanak'Andriamanitra va hianao? 36Namaly izy ka nanao hoe: Iza moa no izy, Tompoko, mba hinoako azy? 37Dia hoy Jesoa taminy: Efa hitanao izy, ary izay miteny aminao no izy. 38Ka hoy izy: Mino aho, Tompoko; sady niankohoka nitsaoka azy izy. 39Dia hoy Jesoa: Fanavahana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra. 40Ren'ny Farisiana sasany teo izany, ka hoy izy ireo taminy: Ary izahay ve mba jamba koa? 41Dia hoy Jesoa taminy: Raha jamba hianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho hianareo ankehitriny manao hoe: Mahiratra izahay, dia tsy afaka ny helokareo. >