Bokin'i Joba

Toko voalohany

1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Joba, tany amin'ny tanin'i Hosa. Izy io dia lehilahy marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra ary nifady ny ratsy.

2 Fito lahy sy telo vavy no zanaka naterany. 3 Ny fananany kosa dia ondry fito arivo, rameva telo arivo, omby diman-jato tsiroaroa, ampondravavy diman-jato, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin'ny zanaky ny Tatsinanana. 4 Fanaon'ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin'ny sakafo tsara samy amin'ny an'androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.

5 Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain'i Joba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin'Andriamanitra tao am-pony. Toy izany no nataon'i Joba hatrany hatrany. 6 Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan'ny Tompo ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan'izy ireo koa Satana.

7 Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Avy aiza hianao? Dia hoy ny navalin'i Satana: Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny. 8 Ary hoy Iaveh tamin'i Satàna: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin'ny tany, marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra, ary mifady ny ratsy. 9 Fa hoy Satana namaly an'ny Tompo: Moa matahotra an'Andriamanitra maimaim-poana va Joba? 10 Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin'ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan'ny tànany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny. 11 Fa ahinjiro ny tànanao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona anao manatrika azy! 12 Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tànana. Dia niala teo anatrehan'ny Tompo Satana. 13 Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy,

14 dia nisy iraka tonga nilaza tamin'i Joba hoe: Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy, 15 dia tonga tampoka ny Sabeana nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin'ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. 16 Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: Nilatsaka avy any an-danitra ny afon'Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin'ny ankizilahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao.

17 Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: Niantoraka tamin'ny rameva ny Kaldeana nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizilahy tamin'ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.

18 Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: Nihinana sy nisotro divay tao amin'ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy,

19 ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin'ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao. 20 Dia nitsangana Joba tamin'izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin'ny tany ary niankohoka nanao hoe:

21 Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. Iaveh no nanome, Iaveh no naka; isaorana anie ny anaran'ny Tompo. 22 Tamin'izany rehetra izany Joba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0374