Bokin'i Joba

Toko faha-10

1 Sasatry ny miaina ny fanahiko, havelako hijojojojo ny fitarainako, hiteny amim-pahorian'ny foko aho.

2 Hoy aho amin'Andriamanitra: Aza manameloka ahy, ampahalalao izay antony ilanao akisa aho.

3 Sa dia mahafaly anao ny mampahory, sy hamay ny asan'ny tananao; ka hampamirapiratra ny fanambinanao eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?

4 Manana maso-nofo va hianao, sa mijery toy ny fijerin'olombelona?

5 Toy ny andron'olombelona va ny andronao, sa toy ny taonan'ny mety maty ny taonanao,

6 no dia karohinao ny fahadisoako, no dia henjehinao ny fahotako,

7 na dia fantatrao aza fa tsy meloka aho, sady tsy misy mahafaka ahy amin'ny tananao akory koa?

8 Tananao no namorona ahy sy namolavola ahy, izaho manontolo, ka tadiavinao ho levonina indray aho ity!

9 Tsarovy fa novolavolainao toy ny tanimanga aho; ary haverinao ho amin'ny vovoka indray aho ity!

10 Moa tsy naidinao toy ny ronono aho, ary nampandrinao toy ny ranomandry?

11 Notafianao hoditra ama-nofo aho, ary norarinao taolana aman-kozatra.

12 Nomenao aina amam-panambinana aho, ary noravanao tamin'ny fiahianao ny aiko.

13 Kanjo izao no nafeninao tao am-ponao: hitako tsara izao izay nokendrenao:

14 Raha manota aho, dia mitsikilo ahy hianao, ary tsy mamela ny hadisoako hianao.

15 Meloka moa aho, dia loza ho ahy; Marina indray aho tsy sahy miandrandra akory; fa safo-kenatra aho, mahita ity fahoriako.

16 Raha mba mitraka aho, enjehinao toy ny fanaon'ny liona, dia foteranao ampijaliana lozan-tany indray.

17 Manangam-bavolombelona vaovao hamely ahy indray hianao; dia ataonao avo sasaka ny fisafoakanao amiko, tafika mifandimby no mandroso hamely ahy.

18 Nahoana no dia namoaka ahy tao am-bohoka hianao? dia maty eo aho, tsy ho nisy maso nahita ahy.

19 Ka ho toy ny tsy hary akory aho, fa vao avy any an-kibon-dreny dia ho nentina tany am-pasana.

20 Tsy vitsy foana va ny androko? Aoka havelany aho! aoka hihemotra izy, dia haka aina kely aho,

21 alohan'ny hahalasanako tsy hiverina intsony, ho any amin'ny tanin'ny aizina aman'aloky ny fahafatesana,

22 tany manjombona sy maizimaizin-dava, anjakan'ny fikorontanana aman'aloky ny fahafatesana sy itovian'ny fahazavana amin'ny alim-pito.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1921