Bokin'i Joba

Toko faha-11

1 Dia niteny Sofara avy any Naama, ka nanao hoe:

2 Tsy hisy valiny va ny teny maro be, ary ny basivava ve no hanana ny marina?

3 Izay bedibedinao va no hampangina ny olona? Haniratsira ve hianao, ka dia tsy hisy handresy lahatra anao e?

4 Hoy hianao tamin'Andriamanitra: Ny fisainako no marina, ary tsy manan-tsiny eo anatrehanao aho.

5 Endrey, raha mety miteny Andriamanitra, ka hiloa-bava hamaly anao,

6 raha ambarany anao ny zava-miafina ao amin'ny fahendreny mbamin'ny safeliky ny hevitra kendreny izay voatakona, dia ho hitanao fa misy hadinony ny helokao.

7 Mihambo hanakatra ny halalinan'Andriamanitra va hianao, sy hahatratra ny fahalavorarian'ny Tsitoha?

8 Avo tahaka ny lanitra izany, ka hataonao ahoana? lalina noho ny fonenan'ny maty izany, ka inona no ho fantatrao?

9 Ny fandrefesana azy lava noho ny tany, malalaka noho ny ranomasina.

10 Raha miantoraka amin'ny meloka izy, sy misambotra azy, raha mamory ny mpitsara: zovy moa no hahatohitra izany?

11 Fa fantany ny olon-dratsy: hitany ny haratsiana, raha mbola tsy miahy ny ho hita izy ity.

12 Amin'ny fandinihana izany, na ny adala aza hahazo hevitra, na ny zanak'ampondra dia aza, ho tonga manan-tsaina.

13 Fa hianao kosa, raha mitondra ny fonao ho amin'Andriamanitra mananty tanan-droa miandrandra azy,

14 raha manary lavitra ny hadisoanao izay eo an-tananao, ary tsy mampitoetra ny tsy fahamarinana eo an-dainao,

15 dia hatrakanao tsy manan-tsiny ny handrinao; tsy hangozohozo na hanan-tahotra intsony hianao.

16 Hohadinoinao amin'izay ny fahorianao, ho toy ny rano nandalo no hahatsiarovanao azy.

17 Ny ho avy hiposaka aminao mamirapiratra toy ny mitataovovonana, ny maizina hiova hanjary mazava atsinanana.

18 Ho feno toky hianao, ary tsy ho foana ny fanantenanao; hijery ny manodidina anao hianao, dia handry tsy amin'ahiahy.

19 Handry fehizay hianao, ka tsy hisy mpanabataba, ary maro no hanafosafo ny tavanao.

20 Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa hihalevona, tsy misy hialofany; toy ny fofon'ain'ny miala aina ny fanantenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0648