Bokin'i Joba

Toko faha-12

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Marina tokoa fa hianareo ihany dia sahala fahendrena amim-bahoaka be, ka dia hiara-maty aminareo ny fahendrena!

3 Izaho koa anefa mba manan-tsaina toa anareo, tsy latsaka noho hianareo na amin'inona na amin'inona. Ary iza moa no tsy mahalala izay zavatra lazainareo?

4 Fananihanin'ny sakaizako aho, izaho izay miantso an'Andriamanitra, ka nohenoin'Andriamanitra. Fananihaniny aho, ilay marina, ilay tsy manan-tsiny!

5 Ny olona ory, fandatsa! Izany no teny arahin'ny miadana; ary eso no miandry an'izay mangozohozo.

6 Ny lain'ny jiolahy anefa, anjakan'ny fiadanana; ny mihaika an'Andriamanitra, no mandry fahizay; dia ireo tsy manana andriamanitra, afa-tsy ny sandriny ihany.

7 Kanefa, masìna hianao, mba fotory ny biby, fa hampianatra anao izy; hatramin'ny voro-manidina, fa hanoro anao izay izy.

8 Na mitenena amin'ny tany fa hampahalala anao izy; hatramin'ny hazandrano any an-dranomasina aza, dia hitantara izany aminao.

9 Satria iza moa amin'ireo rehetra ireo no tsy mahalala, fa ny tanan'ny Tompo no nahavita ireo zavatra ireo,

10 ary izy no mitana eo an-tanany ny ain'ny manan'aina rehetra, mbamin'ny fofon'ain'ny olombelona rehetra?

11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny, ary ny vava no manandrana ny hanina?

12 Ny fotsy volo no manam-pahendrena, ary ny andro lava no mahavokatra fahamalinana.

13 Ao amin'Andriamanitra no onenan'ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.

14 Indro manjera izy, ka tsy misy manorina indray, manidy ny olona aman-trano, ka tsy misy mamoha.

15 Indro tazoniny ny rano, dia ritra; alefany indray, dia manakorontana ny tany.

16 Azy ny faherezana amam-pahamalinana, azy ny maniasia sy ny mampaniasia.

17 Entiny mifatotra ny mpanome saina ny vahoaka, ary esoriny amin'ny mpitsara ny fahatsiloan-tsainy.

18 Vahany ny fehikibon'ny mpanjaka, dia feheziny tady ny valahany.

19 Tarihiny ho any am-pahababoana ny mpisorona, ary aongany ny manam-pahefana.

20 Ataony tsy manan-kalahatra izay olona mahay indrindra, ary endahany fisainana ny anti-panahy.

21 Latsahany fanamavoana ny andriandahy; ary ketrahiny fehin-kibo ny matanjaka.

22 Alany sarona ny zava-miafina amin'ny aizina ary asehony eo amin'ny mazava ny aloky ny fahafatesana.

23 Ampitomboiny ny firenena, dia ravany koa; itariny izy, dia eteny indray.

24 Ny saina esoriny amin'ny mpanapaka ny firenen'ny tany, dia ampaniasiaviny any an'efitra tsy misy lalana izy ireo,

25 dia miraparapa amin'aizina lavitra ny mazava ireny, ary avembenany toy ny olona mamo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1724