Bokin'i Joba

Toko faha-13

1 Indro fa nahita izany rehetra izany ny masoko, ary ny sofiko nandre sy nahalala izany.

2 Izay fantatrareo, dia fantatro koa, tsy latsaka noho hianareo aho na amin'inona na amin'inona.

3 Fa amin'ny Tsitoha no tiako hitenenana, amin'Andriamanitra no tiako handaharana ny amin'ny adiko.

4 Fa hianareo, dia mpamahan-dalitra foana, mpitsabo tsy vanon-ko inona avokoa hianareo.

5 Injay mba mangina hianareo! fa izany no solom-pahendrena ho anareo.

6 Masìna hianareo, henoy ny fanamarinako tena, tandremo izay alahatry ny molotro momba ny adiko.

7 Hilaza lainga va hianareo hanamarina an'Andriamanitra, fitaka va no hataonareo hiarovana azy?

8 Hizaha tavan'olona hianareo momba an'Andriamanitra sy hitsangana ho mpisolo vava?

9 Raha ny fonareo no mba zahany toetra, hankasitraka anareo va izy amin'izany? Ho fitahinareo toy ny famitaka olombelona va izy?

10 Tsy maintsy hohelohiny mihitsy hianareo, raha mizaha tavan'olona mangingina hianareo.

11 Eny, hampivadi-po anareo ny fahalehibeazany, hianjera aminareo ny fampitahorany.

12 Fa hevi-javona ny porofonareo, trano manda fotaka ny mandanareo.

13 Mangina hianareo, avelao aho fa te-hiteny; dia hanjo ahy izay hanjo ahy.

14 Te-haka ny nofoko amin'ny nifiko aho, te-hametraka ny aiko eo an-tanako aho.

15 Na dia hovonoiny aza aho, ka tsy hanan-kantenaina intsony, dia hiaro ny fitondra-tenako eo anatrehany aho.

16 Nefa izy no famonjena ahy, fa ny tsy mivavaka tsy mba mety miseho eo anatrehany.

17 Ka henoy ary ny teniko, manongilana sofina amin'izay halahatro.

18 Indro efa voalahatra ny amin'ny adiko ary fantatro fa hahazo ny rariny aho.

19 Moa misy ta-handahatra hamely ahy? dia hangina eo no ho eo ihany aho, dia ho faty.

20 Fa mba halaviro ahy ireto zavatra roa ireto ry Andriamanitra, dia tsy hiery hiala eo anatrehan'ny tavanao aho.

21 Esory tsy hitambesatra amiko ny tànanao, ary aoka tsy hampivadi-po ahy ny fampitahoranao.

22 Amin'izay, dia antsoy aho fa hamaly, na izaho no hiteny aloha, ary hamaly kosa hianao.

23 Firy no isan'ny hadisoako amam-pahotako? Ampahalalao ahy izay fiodinako aman-dratsy nataoko.

24 Nahoana hianao no dia manafina ny tavanao toy izao, sy mijery ahy ho toy ny favahalonao!

25 Moa te-hampitahotra ravin-kazo hozongozonin'ny rivotra va hianao, hanenjika vodivary maina,

26 no dia ny hadisoan'ny fahatanorako no ampanodiavinao ahy,

27 no dia ampidirinao amin'ny boloky hazo ny tongotro, no dia tsikiloinao avokoa izay alehako,

28 no dia feranao koa izay hodiaviko? Ny nofoko anefa ity efa mihalevona hoatra ny hazo vovohina, sy tahaka ny fitafiana hanin'ny kalalao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1064