Bokin'i Joba
Joba toko 14
Fohy sady ratsy ny andron'ny olona eto an-tany - Ny maty tsy mba tahaky ny hazo, ka velona indray rahefa maty - Ny fonenan'ny maty tsy hierena vetivety.
1Ny olona tera-behivavy, dia vitsy andro iainana,
sady vontom-pahoriana.
2Mitsimoka, dia jinjaina hoatra ny voninkazo izy;
Lasa miala tsy mijanona hoatra ny aloka.
3Amin'izy io anefa no ampihiratanao ny masonao,
izy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana!
4Iza no mahay mamorona madio avy amin'ny maloto? Tsy iza, tsy iza.
5Raha voaisa ny andron'ny olombelona,
raha naraikitrao ny isan'ny volany,
raha nametra faritra tsy hihoarany hianao,
6avilio tsy hijery azy ny masonao mba hisy hitsaharany,
mandra-pankafiziny ny fiafaran'ny androny toy ny mpikarama.
7Ny hazo mbola manan-kantenaina,
na voatapaka aza izy, mbola mety hiha-maitso,
ary miteraka solofony tsy an-kijanona.
8Na efa antitra ao anaty tany aza ny fakany,
na maty ao anaty vovoka aza ny fotony,
9raha vao mahazo rano izy, dia mihamaitso,
dia misandrahaka toy ny tanora vao nambolena.
10Fa ny olona kosa maty, dia miampatra eo,
rahefa miala aina izy, dia aiza moa?
11Ny rano an-kamory mihalevona,
ny ony miharitra, dia maina.
12Toy izany koa ny olona mandry, dia tsy miarina intsony,
raha mbola eo koa ny lanitra tsy hahatsiaro intsony izy,
ary tsy hofohazina amin'ny torimasony.
13Endrey! raha mba mety manafina ahy any amin'ny fonenan'ny maty mantsy hianao,
ka hampiery ahy any mandra-pahafaky ny hatezeranao,
hilaza amiko izay fetr'andro hahatsiarovanao ahy indray!
14Raha mba velona indray mantsy ny olona nony efa maty izy!
handrasako amin'ny andro rehetra anjara fiambenako
izay hahatongavan'izay hisolo ahy.
15Hiantso hianao amin'izay, ary izaho kosa hamaly anao;
ary mba hanina ny asan'ny tananao hianao.
16Nefa indrisy, fa hianao ankehitriny manisa ny diako,
mibandrina ny fahotako hianao.
17Voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako,
nasianao loko ny tsy fahamarinako.
18Ny tendrombohitra miletsy sy mihalevona,
ny vatolampy afindra hiala amin'ny toerany,
19ny rano mandavaka vao,
ny onjany tondraka manindao ny vovo-tany:
toy izany no andravanao ny fanantenan'ny olombelona.
20Aonganao tsy hiarina izy, dia lasa;
lazoinao ny tavany, dia alefanao izy.
21Omem-boninahitra ny zanany, tsy fantany izany;
voaetry ireny, tsy hitany akory.
22Ny nofony tsy mahatsiaro afa-tsy ny fijaliany ihany,
ny fanahiny tsy mitaraina afa-tsy amin'izay manjo azy. >