Bokin'i Joba

Toko faha-18

1 Dia niteny Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:

2 Rahoviana ihany vao hotaperinao izany teny izany? Manana saina aloha hianao vao miresaka isika.

3 Nahoana hianao no dia mihevitra anay ho biby foana, fa ataonao ho donana velona eo imasonao va izahay?

4 Hianao izay mamiravira tena amin'ny hatezerana indray, noho ny aminao ve, dia tianao ho lao ny tany, ary hafindra toerana ny vatolampy?

5 Eny, ny ratsy fanahy dia ho faty ny fanilony, tsy hazava intsony ny afo eo am-patany.

6 Hanjomba ny andro eo an-dainy, ho faty ny jirony eo amboniny.

7 Izy efa mafy famindra dia ho voatery ny diany, hafainganin'ny saim-pantany ny fahalavoany.

8 Afatratry ny tongony amin'ny harato izy; mandia fandrika izy.

9 Azon'ny fandrika ny ombalahitongony, voatanan'ny tadivavarana izy.

10 Ny fandrika harato miafina ao ambanin'ny tany hahavoa azy, ary longoa mitoto-bozaka no eny an-dalan-kalehany.

11 Manodidina azy hatraiza hatraiza ny fampitahorana, sady manenjika azy hatrany hatrany.

12 Ny mosary dia anjara saziny, ary ny faharinganana dia vonon-ko amin'izay hahalavoany.

13 Lany ny hoditry ny rantsam-batany; lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana ny rantsam-batany.

14 Tsoahana izy hiala ao an-dainy, izay nitokiany handriana fehizay, ka tarihina ho any amin'ilay Mpanjakan'ny fampitahorana.

15 Tsy misy monina eo an-dainy ny ankohonany; nofafazana solfara ny fonenany.

16 Ao ambany izy, maim-paka, eo ambony kosa tapa-drantsana.

17 Ny fahatsiarovana azy, foana amin'ny tany; efa very anarana amin'ny faritany izy.

18 Roahina hiala amin'ny mazava izy, ho ao amin'ny maizina, ary esorina hiala amin'izao tontolo izao.

19 Tsy mamela fara aman-dimby amin'ny fokony izy; ary tsy misy velona ny ao amin'ny fonenany.

20 Ny firenena Andrefana, talanjona amin'ny faharavany; ny Tatsinanana koa raiki-tahotra amin'izany.

21 Toy izany no fonenan'ny tsy mivavaka; toy izany no fitoeran'ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0377