Bokin'i Joba

Toko faha-2

1 Indray andro, raha tonga teo anatrehan'ny Tompo ireo zanak'Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan'izy ireo koa Satana, ka tonga teo anatrehan'ny Tompo.

2 Ary hoy Iaveh tamin'i Satana: Avy aiza hianao? Ka hoy Satana namaly an'ny Tompo: Avy nitety ny tany aho ary nitsangantsangana teny. 3 Dia hoy Iaveh tamin'i Satana: Efa nandinika an'i JOba mpanompoko va hianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin'ny tany, marina, mahitsy, matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Maharitra mandrakariva amin'ny fahamarinana izy, na dia notaominao hamery azy tsy ahoan-tsy ahoana aza aho. 4 Fa hoy ny navalin'i Satana an'ny Tompo: Hoditra fefin'ny hoditra! Izay ananan'ny olona dia atolony ho fefin'ny ainy avokoa. 5 Fa ahinjiro hikasika ny nofo amam-batany ny tànanao, raha tsy manozona anao manatrika izy! 6 Ka hoy Iaveh tamin'i Satana: Indro atolotro eo an-tànanao izy; ny ainy tokana no hany tsimbino. 7 Dia niala teo anatrehan'ny tavan'ny Tompo Satana, ka nasiany habokana ratsy Joba, hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany.

8 Ary Joba naka tavim-bilany hihaorany ny feriny, sy nipetraka teo ambony lavenona. 9 Dia hoy ny vavy taminy: Mbola maharitra amin'ny fahamarinanao ihany va hianao? Ozony Andriamanitra dia aoka ho faty hianao. 10 Fa hoy izy taminy: Miteny toy ny vehivavy adala hianao! Mandray ny soa avy amin'Andriamanitra isika, ka nahoana no tsy handray ny ratsy avy aminy koa? Tamin'izany rehetra izany Joba tsy mba nanota tamin'ny molony. 11 Nony nandre ny loza rehetra nanjo an'i Joba ireo sakaizany telo lahy: Elifaza avy any Temàna, Baldada avy any Sohe, ary Sofara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin'ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.

12 Mbola teny lavidavitra teny izy, dia nanopy ny masony fa tsy nahalala azy, ka nanandra-peo nitomany; samy nandrovitra ny kapaotiny izy ireo, nanipy vovoka mankany an-danitra ambonin'ny lohany. 13 Dia niara-nipetraka tamin'ny tany teo akaikiny izy, fito andro sy fito alina tsy nisy niteny taminy, na dia indraim-bava aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376