Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Joba

Joba toko 20
Lahatenin'i Sofara: Tsy maharitra ny fandresen'ny ratsy fanahy - Izay norobainy sy izay maminy indrindra tsy misy hoentiny miala eto an-tany - Fa ny loza no misesy mamely azy.

       1Dia niteny Sofara avy any Naama ka nanao hoe:
       2Koa noho izany, dia asesiky ny saiko hanome valy aho,
ka tsy andriko ny handefasako azy noho ny fikoratabako.
       3Nandre faniniana manala baraka ahy aho,
ka hahita hahavaly avy amin'ny fahalalako ny saiko.
       4Fantatrao tsara va, fa hatrizay ela izay,
hatrizay nametrahana ny olombelona teto an-tany,
       5dia vetivety foana no nahombiazan'ny ratsy fanahy,
ary mihelina ihany ny fifalian'ny tsy mivavaka.
       6Na hapakany amin'ny lanitra aza ny reharehany,
ka hitehina amin'ny rahona ny lohany,
       7dia levona mandritra ny mandrakizay toy ny dikiny izy;
izay nahita azy manao hoe: Aiza izy?
       8manidina toy ny nofy izy, ka tsy hita intsony,
mihalevona toy ny fahitana amin'ny alina izy.
       9Ny maso nahita azy, tsy mahatazana azy intsony;
ny fonenany tsy hahatsinjo azy intsony.
       10Ny zanany hangataka amin'ny malahelo,
ny tanany no hanonerany ny nalainy an-keriny.
       11Ny taolany feno ny otany miafina,
izay hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka.
       12Fa mamy tao am-bavany ny ratsy,
ka nafeniny tao ambany lelany,
       13nankamamy ka tsy foiny,
ary nakombony tao an-danilaniny.
       14Ho zary poizina amin'ny tsinainy ny haniny,
ka ho tonga poizim-bibilava an-kibony.
       15Fa nitelina harena izy, ka handoa izany;
Andriamanitra no handoatra izany, avy ao an-kibony.
       16Nitsentsitra ny poizin'ny bibilava izy,
ka ho fatin'ny lelan'ny menarana.
       17Tsy mba ho hitany misononoka na oviana na oviana ny ony,
ny ria-tantely aman-dronono.
       18Hamerina izay azony izy, fa tsy hambosika an'izany,
araka ny tombony azony, ka tsy hiarana amin'izany izy.
       19Fa nampahory sy nandao ny mahantra izy,
nandroba ny tranon'ireny,nefa tsy nanangana azy indray.
       20Tsy nety nianina ny fahalianany;
tsy hoentiny izay maminy indrindra.
       21Tsy misy tsy tratry ny fahalianany te-handrapaka,
koa tsy haharitra ny fiadanany.
       22Ao anatin'ny fananam-be izy, nefa latsaka amin'ny tsy fahampiana,
iharan'izao kapoky ny loza rehetra izao izy.
       23zao no hameno ny kibony:
Halatsak'Andriamanitra aminy, ny afom-pahatezerany,
ka hirotsaka aminy, hatrany an-kibony.
       24Raha afaka amin'ny fiadiana vy izy
ho trobaran'ny tsipika varahina.
       25Tsoahany ny zana-tsipika, ka mitsoaka miala amin'ny tenany izany,
dia mivoaka manelatselatra avy amin'ny atiny ny varahina;
ka azon'ny tahotry ny fahafatesana izy.
       26Aizim-pito no mitelina ny rakiny;
afo tsy narehtir'olombelona no mandevona azy,
sy mandany izay sisa tavela rehetra ao an-dainy.
       27Ny lanitra hanambara ny helony,
ary ny tany hitsangana hiampanga azy.
       28Ny fananam-be ao an-tranony, haely,
ho levona izany amin'ny andron'ny fahatezerana.
       29Izany no anjara naraikitr'Andriamanitra ho an'ny ratsy fanahy,
sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy. >