Bokin'i Joba

Toko faha-22

1 Dia niteny Elifaza, ka nanao hoe:

2 Mety hanasoa an'Andriamanitra va ny olombelona? Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.

3 Mampaninona ny Tsitoha, raha marina hianao? Inona no azony, raha tsy misy diso ny lalanao?

4 Noho ny fitiavanao vavaka va no amaizany anao, sy ifandaharany aminao amin'ny fitsarana?

5 Tsy mihoa-pampana va ny haratsianao, ary tsy hita isa ny fahadisoanao?

6 Efa naka tsatoka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao hianao, efa nanendaka ny lamban'ny mihanjaka hianao.

7 Ny olona reraky ny hetaheta tsy nomenao rano; ny noana, tsy nahafoizanao hanina.

8 Fa an'ny sandry matanjaka ny tany, ary izay manam-piaro no miorim-ponenana eo.

9 Ny mpitondratena nampodinao maina ary tapaka ny sandrin'ny kamboty.

10 Izany no mahavoahodidim-pandrika anao, ka indro hianao tabatabain'ny horohoro tampoka,

11 safotr'aizina, tsy mahita, ary difotry ny rano mangeniheny.

12 Tsy any an-tampon'ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ange ny handrin'ny kintana: akory ity hahavony!

13 Ka hoy hianao: Inona no fantatr'Andriamanitra amin'izany? Hahay mamantatra ny an-koatry ny rahona matevina va izy?

14 Manjary sarona eo anatrehany ny rahona ka tsy mahita izy, fa any amin'ny lanitra boribory any foana no mandehandeha.

15 Mbola tohizanao harahina va ny lalana fahagola izay nodiavin'ny olona mpanao ratsy fahizany,

16 ka nalaina talohan'ny andro voafetra, ary nindaosin'ny riaka ny fanorenany?

17 Fa hoy izy tamin'Andriamanitra: "Miala aminay hianao!Fa inona moa no hain'ny Tsitoha hatao aminay".

18 Kanefa izy no nameno harena ny tranony. - Lavitra ahy anie, ny fisainan'ny ratsy fanahy! -

19 Mahita ny fianjeran'ireny ny marina, ka mifaly, ary mihomehy azy ny tsy manan-tsiny:

20 Indro efa rava ny fahavalontsika! efa levon'ny afo ny hareny!

21 Koa mihavana amin'Andriamanitra, dia mionona hianao, fa izany no hiverenan'ny fiadanana aminao.

22 Raiso avy amin'ny vavany ny fampianarana ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Ho tafarina hianao, raha miverina amin'ny Tsitoha, sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.

24 Ario eny amin'ny vovoka ny anja-bolamena, ary eny amin'ny korontam-bato eny an-dohasahan-driaka, ny volamenan'i Ofira.

25 Fa ny Tsitoha no ho volamenanao, sy ho volafotsy miavosa ho anao.

26 Amin'izay dia ny Tsitoha no hankamaminao, izy koa no hanandratanao ny tananao.

27 Hivavaka aminy hianao dia hohenoiny, ka hoefainao ny voadinao.

28 Raha misy fikasanao hataonao, dia ho tanteraka, ary ny lalanao hamirapiratam-pahazavana.

29 Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: Miandrandra, dia hovonjen'Andriamanitra izay mietry fijery.

30 Ny olo-meloka aza hataony afaka, fa voavonjy amin'ny hadiovan'ny tananao izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1005